airtel

Sosialy

12-juil-2021

Sosialy

Didim-poitra etsy sy eroa Tsy misy iainana ny « bal » isan-kalina

Sample post image

Velon-taraina ny sasany amin’ireo olona monina eny amin’ny faritra iva amin’izao. Saika ho isan-kalina mantsy hatramin’ny vanim-potoana niantombohan’ny ririnina dia mafotaka hatrany ny alim-pandihizana izay ohatra mitety

12-juil-2021

 tokantrano mihitsy. Ireo mpanao famoran-jazalahy no tena mankafy azy io izay marihina fa mbola mandihy sy mameno ny arabe ihany koa amin’ny andro atoandro. Ho an’iny faritra 67 ha misy ny lalam-baovao iny ohatra dia mahatratra 5 isan’andro raha kely ireo olona manao didim-poitra mandihy sy mitsinjaka eny an-toerana izay zary lasa hafinaretan’ny mpitazana indray ny mahita azy. Ny manahirana amin’ny tranga tahaka itony dia ny fanelingelenany ny fiaraha-monina indrindra raha misy fifandirana eny an-dalana sy mandritra ilay alim-pandihizana. Toraka izany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay haterak’izy ireny amin’ny fotoana hodian’ny mpianatra sy ny mpiasa. Tsiahivina moa fa tsy mba afaka nanao izany izy ireny tamin-taon-dasa noho ny fihibohana nateraky ny valan’aretina Covid 19 hany ka tena manararaotra tanteraka.
Pati

 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Firenena manana taha ambony dia ambony amin’ny trangana tsy fahampian-tsakafo aty

Card image cap