airtel

Sosialy

20-déc-2021

Sosialy

Disciples d'Auguste Escoffier sy ny Polisy Mofomamy 275m nozarainy ho an’ny kamboty sy sahirana

Sample post image

Nahatsiaro manokana ireo ankizy kamboty sy sahirana ara-pivelomana ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny Polisy vavy miasa ao amin'ny "Brigade Féminine de Proximité".

20-déc-2021

 Mofomamy mirefy 275 metatra no nozaraina tamin'ireo ankizy miisa 10 000 teto an-drenivohitra. Isany nahazo izany ny Akany Sandratra Ambohijanaka izay mitaiza zaza kamboty hatrany amin'ny 60 isa sy ankizy sahirana miisa 150; Ny Akany Avoko Ambohidratrimo mitaiza ankizy miisa 200 izay manana olana amin'ny lalàna ; ireo ankizy ao amin'ny akany Ambatolampy tezain'ny Polisim-pirenena ; ireo zaza kamboty tezain'ny zandarimariam-pirenena. Fiaraha-miasa niaraka tamin'ny ekipa "Disciples d'Auguste Escoffier" matihanina amin’ny sakafo no nahitana izao mofomamy lehibe izao. Miisa 7 ireo niara-nanamboatra azy ahitana an-dry Chef Lalaina Ravelomanana, Kisto Rajesh, Mihary Andriantsilavo, François Van Pens, Zo Herilanto Ranindrinarisoa, Jean Marc Bouchet ary Julien Loray. Marihina fa izy ireo no tompon’ny « record » farany izay 217m ary nomontsaniny indray izany. 1,4km moa no voalaza fa lava indrindra maneran-tany tamin’io. Atody 2986, siramamy 100kg, lafarinina 5kg no isan’ny akora fototra nanamboarana io 275m io.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap