airtel

Sosialy

01-sept-2026

Distrikan'Atsimondrano

Notoloran'ny Faritra

Sample post image

Analamanga simenitra 440, fanitso 297, vy 284,...

01-sept-2026

Taorian’ny fitsidihana tany Ankazobe, Anjozorobe ary Manjakandriana dia tonga nanatitra fitaovana sy akora fototra ho an’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny Lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana RAHARINIRINA Clémence. Nisy simenitra 440, fanitso 297, vy 284 ary loko 425kg natolotra, hozaraina amin’ny Kaominina 10 araka ny fangatahan’ireo Ben’ny tanàna: biraon’ny Kaominina ho an’i Soavina Atsimondrano sy Itaosy, biraon’ny polisy ho an’Anosizato Andrefana, WC Public eny Bongatsara, biraon’ny CEG sy Lycée ho an’Antanetikely, CEG ho an’Ankadimanga sy Fiombonana, EPP ho an’i Bemasoandro ary lalana ho an’Ampitatafika. Ankoatra izany, nisy fampitaovana ho an’ireo Andrimasonpokonolona avy amin’ny fokontany 10: gilet 15, sifflet 15 ary torche 2 isanisany. Ireto fokontany voasafidy: Andoharanofotsy sy Iavoloha (CR Andoharanofotsy), Antanety sy Anosimasina (CR Bemasoandro), Antsahabe sy Ambohibao (CR Bongatsara), Avarabohitra sy Ambodifasika (CR Itaosy), ary Tongarivo sy Tanjombato Iray tsy mivaky (CR Tanjombato). Tsy adino ihany koa ny sehatra sosialy: ankizy 40 mendrika avy amin’ny EPP Ambaniala, EPP Anosimasina, CEG Itaosy ary CEG Bemasoandro no nahazo kits scolaires feno. Ny lanonana fanolorana dia notanterahina teny amin’ny tokotany malalakin’ny Kaominina ambanivohitra Bemasoandro ny faran'ny herinandro teo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

77%n’ny ankizy eto Madagasikara

Card image cap
03-sept-2026

Manolotra fitaovam-pianarana 1 200 ny Fondation Axian

Card image cap
02-sept-2026

tsy miaraka amin’ny mpiasa izany!»

Card image cap
02-sept-2026

karazam-bary vaovao "Besalohy" ny FOFIFA

Card image cap
02-sept-2026

mampiana-janaka

Card image cap