airtel

Sosialy

28-janv-2022

Sosialy

Distrikan’Atsimondrano “Tsy tafaverina anaty fotoana fohy ny fahavoazana”

Sample post image

Ampitatafika, Tanjombato, Anosizato amin’izao fotoana izao no tena ahitana traboina betsaka indrindra ato amin’ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny depiote voafidy teny an-toerana, Alain Ratsimbazafy,

28-janv-2022

 raha nitsidika ireo traboina natoby teny Anosizato atsinanana omaly. Nidina avy hatrany nankahery ireo traboina rehetra ato anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny tenako, hoy izy. Nitondra izay tsirambin’ny tanana ihany koa. Ny ankamaroan’ireo olona ireo amin’izao fotoana izao dia misy rava trano, very asa, potika fananana. Rarina raha apetraka ao anatin’izany ny fehim-pihavanana amin’ny samy malagasy. Mifankahery sy mifanohana anaty sarotra. Mifanome tanana, indrindra, satria hitantsika fa tena miaina anaty fahasahiranana tokoa ireo vahoaka ireo amin’izao fotoana izao. Manao antsoavo ny mpikamban’ny governemanta ny tenako, indrindra, ny BNGRC mikasika ny famatsiana ara-tsakafo ireto vahoaka ireto. Eo koa ny fijerena ny lafiny ara-tsosialy maharitra satria tsy tafaverina anaty fotoana fohy ny fahavoazana. Mila jerena ny lafiny ara-kasa sy ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba. Ahoana no hijerena vahaolana maharitra toy ny fametrahana toerana manokana mba handraisana ny sanatria voina mitranga toy ireny satria amin’izao fotoana izao dia vonjimaika avokoa ny zava-drehetra. Na ny trano sekoly aza dia hitantsika fa tsy maintsy najanona ny fampianarana fa nametrahana traboina aloha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny depiote Alain Ratsimbazafy (manao mangamanga) nitafa tamin’ireo traboina
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap