airtel

Sosialy

28-févr-2023

Sosialy

Distrikan’i Beroroha Mbola 400 Ar ny iray kapoaka amin’ny vary

Sample post image

Toa tsy mampino ny vidim-bary amin’ny distrikan’i Beroroha Faritra Atsimo Andrefana amin’izao fotoana izao .

28-févr-2023

Mbola 400 Ar ihany mantsy ny iray kapoaka raha efa misy mahatratra 1.000 Ar ireo karazany mba tsaratsara ho an’ny eto an-drenivohitra. Raha araka ny fitarainan’ireo tantsaha mpamboly any an-toerana anefa dia mbola tsy misy mpividy ihany izany. Vao mainka jeren’ny mponina fotsiny aza. Efa mba niakatra 600 Ar mantsy ny iray kapoaka teo aloha. Noho ny haratsian-dalana ka tsy misy mpanangom-bokatra tonga no voalaza fa anton’izany. Mihitsoka avokoa araka izany ny voka-bary manerana ity distrika ity ka tsy lanin’ny mponina. Samy maniry sy manetsetra ny mba hahita vidim-bary 400 Ar ny iray kapoakany toy ny any amin’ny distrikan’i Beroroha araka izany ny rehetra. Efa tena mafy loatra mantsy ny manjo ny isan-tokantrano amin’ny fiatrehana ny fiainana eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra hafa, antony manosika ny hafa hanaotao foana mihitsy indraindray.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap