airtel

Sosialy

19-mai-2023

Sosialy

Distrikan’i Miarinarivo Nametrahana milina fanodinana voanjo

Sample post image

Nanolotra milina fanodinana ny voanjo ho lasa menaka tao amin'ny distrikan'i Miarinarivo sady nametraka tamin'ny toerany ireo mpikambana maharitra ao amin'ny Antenimieran'ny Varotra sy Indostria (CCI)

19-mai-2023

Faritra Itasy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy ny alarobia 17 may 2023. Nambara fa fanomezana hasina ny mpandraharaha izany no sady fikarakarana ny fiveloman'ny mponina eny ifotony. Nahitsy ny tenin'ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa fitsinjaram-pahefana ara-toekarena mitsinjo ny fihariana eny ifotony ny Tetikasa ODOF. Nohazavain'ny Minisitra tamin'ireo mpanatrika ny atao hoe "Décentralisation économique" na Fitsinjaram-pahefana ara-toekarena, izany hoe miainga eny ifotony ny famokarana sy ny famoronan-karena. Nampanantena moa ity minisitra ity fa tsy hisy na distrika iray aza tsy hahazo ny anjarany amin’ity Fandaharanasa ODOF (One District One Factory) ity, ary hahazo tombony avokoa ny rehetra: ny tantsaha, ny mpandraharaha. Notsipihiny fa rehefa mandroso ny famokarana amin’ireo milina natolotra dia hihena ny fanafarana entana avy any ivelany.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap