Tsaroan’ny maro anefa vao tamin’ny volana Marsa 2021 no nandraisan'ny fanjakana fepetra manokana io vokatra io, tamin'ny fampidinana ny tataon-ketra TVA ho 5% raha 20% teo aloha. Malalaka ny tsena eto Madagasikara saingy ho an’ny mpajifa dia tsy ara-drariny ny fampakarana ny vidin'ny entona fandrehitra. Anisan'ireo entam-barotra arahi-maso eo anivon'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana ny entona fandrehitra noho izy isan'ireo sokajin'entana efa niarahana nidinika tamin'ny fanjakana ny fampiharana ny vidiny ary koa vokatra fampiasan'ny mponina. Tafiditra rahateo koa ao anatin’ny paikady hiarovana ny tontolo iainana, mba tsy handripahana ala ka nampidinina ny vidiny hahafahan'ny mponina misitraka azy. Niantso ny Tale jeneralin'ny Vitogaz Olivier Gasbarian ny minisitra Edgard Razafindravahy ny zoma teo hanaja ny fifanarahana tsy hampakatra ny vidin'ny entona fandrehitra Vitogaz. Toa tsy mbola nanavao ny fahafahana manafatra io vokatra io moa ity orinasa ity.
Jean D.
Tafakatra 10 isam-bolana raha kely ny fitarainana voarain’ny sefom-pokontany ao amin’ny faritra iray momba ny tsy fahaloavana hofan-trano eto an-drenivohitra.
Mampanahy tanteraka ny hoavin’ny taranaka Malagasy rehefa mijery ny fivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny. Handova dezaka eto isika moa,