airtel

Sosialy

15-oct-2021

Sosialy

Entona fandrehitra - Vitogaz Tsy maintsy midina io amin’ny alatsinainy, hoy ny minisitra

Sample post image

"Tsy maintsy midina ny vidin'ny vitogaz, amin'ny alatsinainy 18 oktobra", hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana

15-oct-2021

, Edgard Razafindravahy tany Bongolava omaly. "Tsy voahaja ny teny nifanaovana, fa nampiakatra samy irery ny Vitogaz", araka ny nambarany hatrany. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 31 aogositra no nampahafantaran’ireo orinasa mpanijara entona fandrehitra, fa hiakatra manodidina ny 10 ka hatramin’ny 16% ny vidiny, ka efa nisy ny fampahafantarana nataon’ny Vitogaz fa 60 500Ar ny tavoahangina gaz fampiasa ao an-trano 9kg, raha toa ka 51 800Ar teo teo aloha. Ho an’ny 12 kg kosa niakatra ho 84 000Ar raha 72 000Ar teo aloha, izany hoe 16% ny fisondrotana. Ho an’ny marika hafa kosa, niakatra ho 99 000Ar raha 90 000Ar ny 12kg teo aoha. Ho an’ny 4kg dia 24 500Ar niakatra ho 27 000Ar . Nisy anefa ny fihaonana teo amin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra, ary ny fanjifana Atoa Edgard Razafindravahy sy ny Tale Jeneralin’ny Vitogaz Olivier Gasbarian ny zoma 01 oktobra, nifandresy lahatra, ka tapaka fa hotazonina tsy hiakatra aloha ny vidiny, araka ny fampahafantarana navoakan’ny Minisitera. Antony saika hanaovana ny fiakaram-bidy ny fisondrotana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nanomboka ny volana aprily 2021 teo, nahatratra 70% ny fiakaran’ny vidin’ny gaz teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny desambra 2020 kosa no nankatoavina ny tolo-dalàna nahafahana nampidina ho 5% ny haba TVA amin’ny gaz raha 20% izany teo aloha, ny vidin’ny tavoahangy iray amin’ny gaz dia azo ampidinina ho 9% ary ireo kojakoja miaraka aminy ho lasa 20 000 ariary raha 105 000 ariary teo aloha, raha ny votoatin’ny tolo-dalàna tamin’izany. Sarotra ho an’ny Fanjakana ny handidy ny tsy miankina amin’ny sehatra tahaka izao. Efa natao tamin’ny resaka vidim-bary io desambra 2020, fa tsy nahomby. Mitovitovy amin’ny sehatry ny solika ihany “gaz”. Na miditra amin’ny “nationalisation” amin’ny alalan’ny fisahanan’ny Fanjakana ireny sehatra stratejika ireny, na miditra amin’ny fanalalahana tanteraka hisian’ny fifaninana ialana amin’ny ampihimamba,… fa sarotra ny hanery hoe: tsy maintsy izao sy izao indrindra fa tsy marin-toerana sy miankina amin’ny tsena iraisam-pirenena ilay zavatra. Zon’ny Fanjakana tanteraka kosa anefa na izany aza ny manara-maso ny mety ho fanararaotana, ary azony atao mihitsy ny mandroaka an’ireny hiala eto rehefa minia midingin-drambo, raha tena manana fahasahiana ny mpitondra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap