airtel

Sosialy

01-avril-2022

Sosialy

Faha-10 taonan’ny AFHAM Nomarihina tamin’ny horonantsary hoe “Debout”

Sample post image

Horonantsary fanadihadiana momba ny andavanandrom-piainan’ireo olona manana fahasembanana no nentina namarana ny hetsika fankalazana ny tsingerintaona faha-10 nisian’ny AFHAM,

01-avril-2022

ny alarobia 30 aprily 2022 teo. “Debout” na “Mitsangàna” no lohatenin’ity horonantsary ity. Novokarin’I Felana Rajaonarivelo, mpaka sary sady mpamokatra horonantsary ary niarahany niasa tamin’ny Canal + izany. Tao amin’ny Canal Olympia no nandefasana azy io ary notronin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Mialy Rajoelina sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny fikambanana AFHAM toa an’i Fanja Razakaboana, filohan’ny fikambanana GFEM. Mitantara ny fiainan’i Fela, Lahatra sy Marie Claire ary i Nourina ny horonantsary fanadihadiana “Debout”. Nisy tamin’izy ireo no tsy nanan-tsafidy fa efa sembana hatrany am-bohoka fa misy kosa no efa lehibe izay vao nanana fahasembanana. Betsaka ny olana nosedrain’izy ireo hatramin’ny fahakely. Mitantara ny eso sy ny fanilikilihana natao azy izy efabavy, ao anatin’ity horonantsary fohy ity. Maneho ny andavanandrom-piainany ihany koa ao anatin’izany satria tsy mora ny tontolo andro ho an’ireo manana fahasembanana raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fahampian’ireo fotodrafitrasa natao ho azy ireo fotsiny. Lasa tanjak’izy ireo izany fahasembanana izany ary vao mainka mampandroso azy. Samy manana ny anjara andraikiny ny tsirairay amin’ny fanomezana toerana sy fampanajana ny zon’ireo olona manana fahasembanana, hoy Fela Razafinjato, filohan’ny AFHAM, nandritry ny lahateniny. Samy nanome toky ihany koa moa ireo mpiara-miombon’antoka fa hitondra ny anjara birikiny ao anatin’ny fanatanterahana izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap