dia notanterahana omaly tao amin'ny hotely Carlton Anosy ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny hetsika nasionaly ho an’ny fahadiovan'ny tanana ho an'ny rehetra, hoy ny fampitam-baovao voaray. Anisan' ireo paikady entina hisorohana karazana aretina maro azo avy amin'ny alalan' ny loto ny fanasana tanana amin'ny rano sy savony. Fomba tsotra nefa mahomby amin' ny fisorohana ny fifindran' ny aretina mifindra amin' ny alalan'ny otrikaretina ny fanatanterahana izany. Fihetsika tsotra, tsy andaniam-bola be nefa ahafahana miaro ain'olona maro ny fahadiovan’ny tanana ka hatao vaindohan-draharaha sy hapetraka ho paikady mahomby entina hiadiana amin'ny karazana aretina maro. Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran' ny Fampianarana sy ny Ministeran'ny Rano, Fahadiovana sy Fidiovana ary ireo mpiara-miombon’antoka no niara nisalahy nahatanteraka izao hetsika izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Isan’ny mampiheritreritra ihany hoe aty amin’ny taonjato faha 21 no mbola misy firenena mila entanina sy ampianarina manasa tanana ny vahoaka eo aminy ary dia I Madagasikara izany. Hatramin’izao ve izany dia mbola tsy misy paikady mahomby hahatongavan’izany ho lasa fahazaran’ny olompirenena sy mandeha ho azy? Aiza moa no tsy ho mbola tamana eto foana ireo aretina mariky ny fahantrana toy ny pesta sy ny kolera ?
J. Mirija
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.