airtel

Sosialy

22-avril-2024

Fahantrana lalina

Misy mangalatra hatramin’ny varavaran-gabone

Sample post image

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

22-avril-2024

nisy nangalatra ny alin’ny zoma teo ny varavarany, raha ny fampitam-baovaon’ireo mponina. Tsy nisy naheno na inona na inona ireo tompon-trano fa hifoha maraina andeha hivoaka vao gaga rehefa nahita ity trano fivoahana tsy misy varavarana ity intsony. Mahantra loatra isika malagasy no dikan’izany, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo nahita ny toe-draharaha. Mety ho neverin’ilay mpangalatra fa varavarana trano fonenana kosa angamba, hoy koa ny fanehoan-kevitra hafa, saingy na ahoana na ahoana aloha dia heverina fa mariky ny fahantrana lalina foana ny fisehoana raharaha tahaka itony. Misy mangalatra hatramin’ny varavaran-gabone.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique