Tsy mijanona eto an-drenivohitra ihany izany fa hatrany amin’ny faritra mihitsy toy ny nitranga tany Ankofafalahy Fianarantsoa omaly. Tovovavy kely iray vao 18 taona monja no tratra nangalatra vilany. Raha araka ny fantatra dia namaky trano mihitsy ity tovovavy ity ka ireo kojakojan-dakozia ireo naneno no nahatrarana azy. Sady nalahelo ity tovovavy ity moa ny tompon-trano no sorena ihany koa saingy tsy maintsy nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ihany. Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy an’asa izy nefa mahalala mihinana sy mitafy antony nanosika azy hanaotao foana tahaka izao. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovovavy niaraka tamin’ny vilany nangalariny !
Tsikaritra eto Antananarivo amin’izao fandraisana ny Fivoriamben’ny Vaomieran’ny Ranomasina Indianina