heviny ny sampana iraisampirena momba ny fifindra-monina na OIM amin’ny maha sampana mpitan-tsoroka ireo very hevitra azy ireo ihany koa. Hatramin’ny taona 2020, hoy ity sampan-draharaha ity, no efa nisiana fikasana maro hifindra monina ho atsy Maioty niainga teto amintsika. Tsikaritr’ireo tomponandraikitra misahana ny morontsiraka moa izany. Indrisy fa ity farany teo ity kosa dia tena nampidi-doza tanteraka. Ny alin’ny 11 sy 12 martsa teo dia nisy fiaingana tsy ara-dalana nitaterana olona miisa 47 niainga ny morontsiraka avaratra andrefan’ny nosy, ny marimarina kokoa dia tao Ankazomborona, kaominina ambanivohitr’I Beramanja, mba hihazo ny nosy Maioty. Fara fahakeliny dia miisa 22 ny maty vokatry loza an-dranomasina nitranga tao anatin’izany ary maherin’ny 20 isa ihany koa ireo tafavoaka velona. Manameloka ny endrika trafika sy fanondranana olombelona rehetra ny OIM. Toy izany koa ny fifindra-monina tsy ara-dalana sy mandika ny fanajana ny zon’olombelona. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ireo niharam-boina ny OIM ary mbola manao antsoavo ny governemanta malagasy hiara-hiasa aminy mikasika fandrindrana izay resaka fifindra-monina izay eto amintsika, hoy hatrany ny fanambaran’izy ireo.
J. Mirija
Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.
Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana
Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,
Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe