airtel

Sosialy

28-juil-2022

Sosialy

Fahasahiranana ara-bola Mandeha an-tongotra ny 50%-n’ny mponin’Iarivo

Sample post image

Mandeha an-tongotra ny antsasa-manilan’ny mponina eto Antananarivo mandeha mamonjy ny asa aman-draharaha, raha ny tatitry ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena momba ny fifamezivezena eto an-dRenivohitra.

28-juil-2022

Anton’io ny tsy fahafahana ara-bola. Ny sasany indray noho ny toeram-ponenana lavitry ny fitateram-bahoaka. Lasa sakana amin’ny famonjena asa ny tsy fahafahana misitraka fitaterana, ary manampy trotraka ny fahantrana an-tanan-dehibe. « Noho ny tsy fisian’ny fitaterana mahomby sy sahaza, lasa manary ny herijika ahazoany vola bebe kokoa ny olona. Ny 2/3n’ny làlana aleha dia ato anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, ary ato anatin’ny renivohitra no hivangogoan’ny 60% amin’ireo orinasa manara-drafitra na « formelles ». Ny taksibe hatreto no fitaterana be mpampiasa indrindra izay misy mpandeha 1,4 tapitrisa eo ho eo isan’andro, kanefa mety ho tafiakatra 2,7 tapitrisa izany ny 2051, raha ny tombatomban’ny Banky Iraisam-pirenena. Tsy dia misy safidy betsaka, ary ny tahan’ny fananana fiara manokana ho an’ny mponina dia mbola 6% eo hatreto. Mananosarotra ihany koa ny fahateren’ny tanàna sy ny fotodrafitrasa. Misy ny tetikasa tena zava-dehibe tahaka ny làlana « rocades », ny teleferika vao hatao, ny lamasinina an-tanan-dehibe, saingy tsikaritra ihany ny olana sy tsy tena voarindra sy tsy nohalalinina, raha ny fanamarihana. Misy mantsy ny toa tsy nanaovaa tombana ara-toekarena, ara-bola, ara-tontolo iainana ary ara-tsosialy mafonja, raha ny voalazan’ny Banky Iraisam-pirenena. Lasa miteraka fanontaniana any amin’ny maha marin-toerana sy voalanjalanja ary koa ny momba ny faharetan’ilay tetikasa. Ahafahan’ny manam-pahefana isan-tsokajiny mandray fanapahan-kevitra momba ny fampivoarana fitaterana sy ny fifamoivoizana ny vokatry ny fanadihadiana natao, raha ny fanamarihan’ny Banky Iraisam-pirenena.
Toky R

Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap