Taorian’ny fandaniana maromaro natao nandritra ny fety mantsy dia maro tamin’ireo trosa tokony nahilika no tsy voaloha intsony ka anisan’ireny ny hofantranon’olona. Tsy vitsy araka izany ireo voaraokan’ny tompon-trano ka mihampanampana mitady trano etsy sy eroa moramora kokoa. Sarety enti-tanana 3 isan’andro raha kely no tazana mitaona entan’olona handeha hifindra trano eny amin’iny faritra Atsimondrano iny. Ankoatra ny fandriana dia saika tazana entin’ireo sarety ny latabatra kely, ny bidon miloko mavo, ny kidoro kely miampy ny sceau sy ny lovia ary ny vilany….Raha araka ny reesaka nifanaovana tamina sefo fokontany iray dia maro amin’ireny olona mifindra trano ireny no mitsoaka hofantranon’olona. Misy amin’ireto farany noho izany no mitaon’entana amin’ny alina. Maro noho izany ny fitarainana voarain’ny Fokontany ihany koa mikasika azy ireny. Tsiahivina moa fa ireo trano hofaina manodidina ny 50.000 Ar ka hatramin’ny 100.000 Ar eo ho eo no tena be mpanao izany eny amin’iny faritra Atsimondrano. Na izany aza dia taratry ny fahasahiranana lalina hiainan’ny Malagasy ny trano tahaka izao koa hiantsoana ny fanjakana ny mba hijereny izany.
Pati
Legende : Tsy maintsy mitaona entana mifindra trano tahaka izao rehefa tsy manam-bola handoavana hofantranon’olona