airtel

Sosialy

04-mars-2022

Sosialy

Fahasahiranana sy fahantrana Misy hatrany ireo mifindra fa tsy nahaloa hofan-trano

Sample post image

Fotoana fandoavana hofan-trano ny faha-efatra na fahadimin’ny volana hitsahina tahaka izao. Nanomboka tamin’ny faran’ny volana teo

04-mars-2022

 dia saika hita manerana ny faritra maro eto an-drenivohitra ny fisian’ireo posy sy sarety mitatitra entana miala ny tanana. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompon-trano iray teny Besarety nahitana ity tranga ity dia nambarany fa vokatry ny tsy fahafahan’ilay mpanofa mandoa hofantrano no anton’izany ka tsy maintsy mandray fepetra izy. Raha avela hivangongo mantsy ny hofantrano hoy izy dia misy amin’ireo mpanofa no mahavita mitsaoka amin’ny alina mihitsy ka sady maty antoka ilay tompon-trano no lany fotoana mankany amin’ny Fokontany koa. Amin’ny ankapobeny ho an’iny faritra Besarety iny dia 100.000 Ar ny hofan-trano antonony ahitana efitrano iray miaraka amin’ny lakozia. Ho an’ireo karazany tsotsotra io raha misy tafakatra hatrany amin’ny 300.000 Ar ireo mba tsaratsara misy jiro sy rano ary misy trano fivoahana ao anatiny saingy tsy mihoatra ny efitrano roa kosa. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia mitombo isa ireo olona tsy mahaloa hofantrano amin’izao vokatry ny fahasahiranana. Saika antony faharoa hanatonan’ny olona ny fokontany izy io amin’izao ankoatra ny adin’ny mpivady. Ho an’ny fokontany iray eny Atsimondrano eny dia mahatratra 10 isam-bolana raha kely ny fitarainana tsy fahaloavana hofan-trano hataon’ny tompon-trano voarain’izy ireo izay mihafara amin’ny fifampiraharahana foana. Midoika izany fa sahirana ny Malagasy. Tsy mahavita mandoa hofan-trano intsony ny ankamaroany, antony mampitombo isa ireo tsy manan-kialofana eny ambany tonelina sy etsy La Réunion kely Ampefiloha.
Pati
Legende : Tsy maintsy entina amin’ny sarety posy sy sarety tahaka izao ny entana fa tsy taka-bidy ny fiara
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap