raha ny tohin’ny fanadihadiana natao hatramin’iny omaly iny. Herinandro katroka izay no lasa. Mahatazana, Ampandrinomby, Tsarahonenana sy ny manodidina, nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana ireo mponina. Anton'ny fitokonana tamin’io fotoana io ny fahatapahan-drano lavareny amam-bolana maro amin'ireo toerana ireo. Tapaka ny làlana nihazo an’iny Mausolée iny. Hatramin’ny omaly, mbola naharaisana fitarainana indray tany amin’ny boriboritany faha 5 tany. Efa ho lava izy ity, hoy ny renim-pianakaviana iray. Amboditsiry, Ambatomaro, Manjakaray. Mila manangon-drano amin’ny alina satria amin’ny 6 ora maraina faha faha tarany dia tapaka ny rano. Tsy miverina raha tsy ny hariva. Tsy dia mifanalavitra amin’izany koa ny zava-misy eny amin’iny boriboritany faha 3 iny, raha ny fanadihadiana natao hatrany, ary hatramin’ny andro alahady aza, hoy ireo mponina.
J. Mirija
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy