airtel

Sosialy

14-févr-2024

Fahatapahan-drano lavareny

Nitroatra ny mponin’i Tsarahonenana

Sample post image

Mihamafy ny olana ara-tsosialy izay mivadika ho fihetsiketsehana samihafa.

14-févr-2024

Raikitra indray mantsy ny grevy teny amin’ny fokontany Tsarahonenana anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo omaly. Antony ny fahatapahan-drano lavareny, ka raha ny filazan’ny mponina dia efa ho 4 efatra volana no niainana an’izany. Raikitra noho izany ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana, ka nikorontana sy nikatso hatramin’ny fifamoivoizana teny an-toerana. Tsy vao sambany no nisiana hetsika tahaka izao teny amin’ny manodidina iny toerana iny satria efa nisy ihany koa ny hetsika mahery vaika teo Ampandrianomby ny faramparan’ny taona lasa teo. Raha mikisaka kely dia vao tapa-bolana ihany koa raha ela no niverina nitokona ny mpianatra sy ny mponin’Ambohipo noho ny fahatapahan-drano lava. Tena tsy misy ve ny vahaolana ka rehefa mihetsika ny vahoaka vao mikorapaka mandefa « emmo-reg » sy manao vahaolana «tip top » ? Tena izao ve ilay hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R

 

Dans la même rubrique