raha ny fitarainan’ireo mpanjifa ny ranon’ny JIRAMA eto Antananarivo renivohitra. Tato ho ato, hoy ny mponina iray eny amin’iny boriboritany fahatelo iny, izao dia tapaka ny tolakandro. Amin’ny 11 alina vao miverina. Mandeha eo amin’ny ora iray eo, raha be indrindra, dia harivariva amin’ny 5 na amin’ny 7 na amin’ny 11 ora alina indray vao miverina na miha mafy ny fandehany na «pression», hoy isika. Tsy ny amin’ireo faritra manodidina an’Antananarivo ihany, araka izany, no miha mijaly rano fa ny eto afovoan-tany ihany koa. Ny any amin’ny faritra moa efa tsy hita intsony izay ilazàna azy, raha ny angom-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy