Sady manimba fitaovana mantsy izany no manimba ny asa fitadiavam-bola ihany koa, antony nampitroatra ireo vahoakan’i Soavimasoandro. Ho an’ireo manokana dia tapaka in-telo isan’andro ny jiro raha tokony indray mandeha isan’andro ihany izany raha ny fampanantenana nataon’ny orinasa JIRAMA. Miantso ny vahoaka Malagasy mba hitsangana araka izany izy ireo fa tsyh hanaiky hampijaliana lalandava toy izao foana. Ny faktiora anefa eo an-daniny tsy mihena fa vao mainka mitombo aza. Toraka izany koa ny solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry voafidy tao amin’ny Boriborintany fahaenina avy amin’ny antoko TIM. Nambarany fa tena hampahantrain’ny fanjakana sy hampandadiziny amin’ny tany mihitsy ny vahoaka madinika. Ny mahavariana hoy izy ho an’ireo toerana avo na ny "quartier résidentiel" izay hitoeran'ny mpanambola dia tsy misy jiro tapaka mihitsy nefa ireny olona ireny mety manana fahafahana milina mpamokatra herinaratra. Rehefa tsy vitan’ny fanjakana intsony hoy izy ny fitantanana ny firenena dia atsipazo any amin’ny vahoaka izany fa tena mivoaka sempotra ny isan-tokantrano.
Nangonin’i Pati
Nanapa-kevitra ny hanangona ireo vy manodidina ny toerana misy ny orinasa ireo mpiasa any amin’ny Orinasa Kraoma any Brieville,
Tsy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany no miaka-bidy eny an-tsena amin’izao. Ho an’ireo tantsaha mpamokatra ihany koa mantsy dia midangana izaitsizy ny vidin’ny zezika,
Sambany nitsidika ny faritra atsimon'i Madagasikara izay tratry ny haintany ny Ambasadaoro Amerikana Pierangelo. Nanamafy ny fanohanan’i Etazonia ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika
Miomana amin’ny taom-pambolena manaraka ny tantsaha ao amin’ny Kaominina Fiombonana Distrika Antananarivo Atsimondrano.
Nahazo vary avy tamin'ny fitondram-panjakana tarihin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Mpiasan'ny SECREN ((Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navales)