zay midika fa nisy fiakarany 32,72% izany ny tamin’ity, 74 686 ny elanelana, raha ny tatitry ny ODR (Observatoire du riz) tao anatin’ny tatitra. Tena niakatra be ny fanafarana tao anatin’ny telo farany, nahatratra 180 017 taonina izany dimy volana voalohan’ny 2020. Anton’ny zava-misy ny fandrisiana nataon’ny governemanta izay nanentana ireo mpandraharaha hanohy fanafarana vary mba hanampiana tsy fahampian’ny vary vokarina eto an-toerana. Tombanan’ny Fanjakana hiakatra 9,5% ny famokarana vary amin’ity taona ity, izany hoe 4,8 taonina, raha ny voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana PLFR 2022. Firenana tokony ho ao anatin’ilay tena sangany amin’ny fambolena na “à vocation agricole” I Madagasikara, saingy ny Filoham-pirenena mihitsy no nilaza fa tsy afaka miandry vary roa taona vao miakatra ka nireharehany ny fanafarana sambo 20 isa. Efa mifehy ny fanondranany sy mampiakatra ny vidiny ny firenena vahiny vao hoe: andao hamboly sy hiompy, ary ny vahiny mpamatsy vola no miteny fa tokony ho laharam-pahamehan’i Madagasikara no mamboly, ka dia iny nirosoana iny fikaonandoham-pirenena momba ny fambolena.
MIHINAM-BARY 500 000 TAONINA
Hatreto, zara raha 100 000 ha ny tanimbary eto Madagasikara, 200 000 taonina isan-taona eo ny vokatra, raha toa ka manodidina ny 500 000 taonina ny filàna. Mila mamokatra 5 taonina isaky ny hekitara izany isika dia tsy manafatra. 500 000 Ar eo ho eo no manajary tanimbary 1 ha amin’izao, raha ny fanadihadiana tsotsotra natao, ka tafiditra ao ny mpanetsa 15 eo ampiasaina, ambioka, ny asa tany sy ny fampidiran-drano, 125 dolara eo ho eo izany, raha atao vola tsotra. Raha atao ny kajy, 40 tapitrisa dolara no ahafahana manajary ny tanimbary ho azo hambolena eto, antsasaky ny vola nanaovana ny kianja barea, mahavita tanimbary 320 000 ha, kanefa ny tanimbary ampiasaina eto mbola 100 000 ha amin’izao. Mbola mamelona ny tantsaha any Inde, Pakistan, Chine,… izany ny Fanjakana Malagasy hatreto.
Toky R
Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,
Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.
Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana
Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.
Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)
Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.