Fanjakana notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny fizarana ny fizarana vary safiotra sinoa, lazaina fa hampiakarana ny famokarana sy hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Vary safiotra 200 taonina vokatry ny fiaraha-miasa amin’i Chine no nozaraina niaraka tamin’ny zezièbazaha NPK, zezika organika ary urée. Araka ny fanambaran’i Andry Rajoelina, tanjona ny hahatrarana 1 tapitrisa taonina fanampiny amin’ny voka-bary, ka 176 000 taonina amin’izany dia vary safiotra. Nambara fa tafiditra ao anatin’ny vina ihany koa ny fampihenana ny fanafarana vary avy any ivelany sy ny fahatrarana ny fahavitan-tena amin’ny vary, miaraka amin’ny faniriana hahatonga an’i Madagasikara ho mpanondrana vary aty amin’ny faritra misy antsika amin’ny taona 2027. Nampanantena fa ho tratra alohan’ny fiafaran’ny taom-piasany ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Faritra 12 eto Madagasikara no nambara fa hanatanterahana ny tetikasa hisy fanohanana sy fampiroboroboana ny vary safiotra eto Madagasikara, ary nolazaina fa efa nanaovana andrana tany SAVA, Bas Mangoky,… ka nilazana fa efa nahita 11 taonina sy 12 taonina isaky ny hekitara. Manodidina ny 8 000 hektara no hovolena amin’ity tetikasa ity, izay mikendry vokatra 7 ka hatramin’ny 10 taonina isaky ny hektara. Mba hahatratrarana izany dia hiandraikitra ny fizarana sy fanapariahana ny masomboly sy zezika ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hanamafy ny fanofanana sy fahaiza-manaon’ny tantsaha, ary hanome fitaovana ho an’ny mpamboly mba hampihenana ny fahaverezan’ny vokatra aorian’ny fijinjana,… Nolazaina fa 250 tapitrisa dolara 1178 miliara Ar ny hampiasaina amin’ny tetikasa « riz plus » ka nilazana fa hitarina ny toeram-pamokarana, hajariana ireo tohotrano,… Taiza izany no tsy natao hatrizay ? Sao mba ho poakaty tahaka ilay « Plan Marshall » 1043 miliara Ar ?
TENA VOALANJALANJA VE NY ZAVA-DOZA METY HATERANY
Zava-dehibe ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-bary, saingy betsaka ny ambana ao anatin’ity resaka vary safiotra ity miampy ny zezi-bazaha izay mety hiteraka fiankinan-doha goavana amin’ny sinoa, ary mety hisy fahapotehana eo amin’ny nofon-tany sy ara-tontolo iainana. Ny vary safiotra sinoa dia mila masomboly vaovao isan-taona, ary na ekena aza fa mety hisy seha-pamokarana izay hapetraka eto, dia tsy maintsy hianki-doha amin’izany, ary ny Filoham-pirenena mihitsy no milaza mivantana hoe : hampitomboina isan-taona ny masom-boly homena anareo, hamidy mora ny zezika mba ho takatry ny tantsaha izay nilaza fa hihena hatramin’ny 50 ka hatramin’ny 60% ny zezika,... Mba nakana ny hevitry ny manam-pahaizana ara-pambolena na « ingénieurs agronomes » eto amintsika ve ? Raviravizana ny tantsaha fa hiakatra 6 taonina isaky ny hekitara ny tombony ho azony fa tena haharitra sa 4 na 5 taona dia ho potika ny tany ? Hanao ahoana ny ho avin’ireo vary tena Malagasy tsara kalitao toy ny makaolika, rojomena, mangamila,... ? Efa nisy ny tetikasa nahomby nampiasana ny voka-pikarohana avy teto Madagasikara raha tsy hilaza afatsy ny « vitrine de Madagascar » tamin’ny andron’ny fitondrana Ravalomanana izay nisy nahavita hatrany amin’ny 12 taonina isaky ny hekitara ka inona no tsy nanetsehana ireo manam-pahaizana Malagasy sa ilay bizina goavana miaraka amin’ny sinoa mihitsy no mahamaika. Henjana sy mampieritreritra ilay hoe : tanjona hahavitan-tena ara-bary ho an’i Madagasikara hiankin-doha amin’ny vary safiotra sinoa sy zezi-bazaha ! Ny masomboly safiotra izay efa nanaovan’ny Firenena maro fiverenan-dalana ve no vahaolana sa ny tan-tsoroka tena mahomby sy maharitra fa tsy sehoseho mandalo amin’ny lafiny ara-bola, ara-teknika, ara-pitaovana ho an’ny tantsaha ?
Toky R