airtel

Sosialy

07-mars-2024

Fakan’ny sinoa ny tanim-bahoaka

Nangotraka ny fanoherana teny Andohatapenaka

Sample post image

Raikitra ny fidinana an-dalambe teny Andohatapenaka omaly ho fanoherana ny

07-mars-2024

fakan’ny vahiny ny tany. Nirotsaka an-dalambe nilanja sora-baventy sy nandoro kodiarana teny amin’ny RN58A Andohatapenaka, Boriborintany Voalohany, Antananarivo Renivohitra ireo vahoaka maro io omaly alarobia 06 martsa 2024 io, manohitra ny fivarotana amin’ny vahiny ny tanin’izy ireo. Misy ny miteny fa tany hatrany amin’ny 21 ha no misy mitady haka an-keriny. Niainga 21Ara, niakatra 69Ara, ary tonga hatrany amin’ny 121Ara, hoy ireo mponina. Milaza izy ireo mponina eo an-tanàna ihany no nivarotra ny tanàna, ary taratasy hosoka no nividianan’ny sinoa ny tanin’ny Malagasy, raha ny nambaran’ireto vahoaka ireto. Voalaza fa tratra izay taratasy hosoka fifanekena fifampivarotana. Misy olona efa maty voalaza fa mbola nahazo taratasy fanamarinam-ponenana, nisy fanaovana hosoka soniana sefom-pokontany, tahaka izany ihany koa ny taratasim-panjakana samihafa,… hoy ny fanazavana. Raikitra ny horakoraka hoe : avero ny taninay arahin’ny sora-baventy miantso vonjy amin’ny filoham-pirenena. Matahotra ny olona sao lasa ny tany, olona avy ao an-tanàna ihany no mivarotra. « Arovy izahay, izahay tsy manonona anaran’olona, miantso ny Fanjakana hiaro anay, izahay tsy miady amin’ny mpitandro ny fiaminana. Misy olona efa aman-taonany maro, latsaka teo ny tavoniny, kanefa dia amidy antsokosoko. Hatramin’ny razambenay tsy nivarotra ny tanananay ka ahoana no ny sinoa haka ny taninay », hoy ireo vahoaka. Voalaza fa efa misy ny taratasy fanomezna fe-potoana hialan’ireo vahoaka, saingy misy ny milaza fa tsy hiala na hotrongisina ao aza ka asakasaky ny mpitondra raha handray ny volan’ny sinoa sy hamela anay ho faty ao na hiaro anay, hoy izy ireo. Nafana ny hetsika omaly, ka voatery niditra an-tsehatra ny Emmo-reg.
AIZA ILAY FIANDRIANAM-PIRENENA DRADRADRADRAINA ?
Mitovy tsy misy valaka amin’ny tranga teny Bemahatazana Antsofonondry. Sinoa iray no voalaza fa nivarotra ny tany tamin’ny alalan’ny taratasy hosoka, raha ny fanamarihana. Raha ny lalàna, tsy afaka mividy tany ny vahiny fa fampanofana maharitra, saingy mirongatra ny fandroahana vahoaka amin’ny taniny fa hoe : lasan’ny sinoa sy ny karana. Raha handeha hanao fampitahana kely, novoizina sy nodradradraina mafy ny hoe : fiandrianam-pirenena tamin’ny resaka lalàna famaizana momba ny famosirana. Nahoana anefa no toa mangina sy tsy tena mipoitra ny Fanjakana sy ny mpitondra rehefa ny tanin’ny Malagasy no lasan’ny sinoa ambongadiny tamin’ny tsy ara-drariny ? Nahoana no mitazam-potsiny rehefa ny tranon’ny Malagasy no arodana tsy ara-drariny sa tsy afa-miteny satria mety avy amin’ireny no nahazoana sô sy koveta nentina nanambakana vahoaka tamin’ny fifidianana ? Tena olana be eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ity resaka ady tany ity, ary toa tsy misy mpiahy ny Malagasy fa ny vola no miteny, ka anentanana ny rehetra hiezaka hikarakara ny taniny mba ho ara-dalàna satria mirangorango ny vahiny mpandroba ny tanindrazan’ny Malagasy sy ny Malagasy mpivarotra tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique