airtel

Sosialy

01-févr-2024

Fakobe mbola tsy afaka manerana ny nosy

Miandry tsikera mivaivay ihany koa…

Sample post image

Vao midina eo Avaradoha dia mbola mameno ny arabe ny fakobe tsy manam-paharoa.

01-févr-2024

Toy izany koa ny ao Andravoahangy, Amboditsiry, Anosibe, Namontana, Soanierana, Andoharanofotsy hatrany Antsirabe ka hatrany Toliara. Miandry tsikera mivaivay koa toy ilay teny Anosipatrana angamba izany vao hisy indray ny fandraisana andraikitra, raha izao fipetrany hatreto izao aloha. Misy akaikina toeram-pianarana, hopitaly, paompy fatsakan’ny be sy ny maro, toerana saropady samihafa izy ireny anefa. Tsy mahazatra antsika moa ilay mamaha olana fa dia ny mamindra toerana ny olana hatrany no tsikaritra tao anatin’ny taona maro, hoy ilay mpamakafaka iray izay.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique