airtel

Sosialy

10-janv-2024

FAKON’ANTANANARIVO

Maro ireo lalana efa tapaka, milaza hanampy kamio 38 ny SMA

Sample post image

Milaza ho miasa andro aman’alina ny SMA na ny Société Municipale

10-janv-2024

d’Assainissement amin’ny fanalana ireo fako mivangongo eto Antananarivo renivohitra, raha araka ny fanazavan’ny taleny Tiana Razafimanahaka omaly. Tsy izay mihitsy anefa ny zavatra hita eny rehetra eny. Toerana 4 amin’ireo 170 isa voalaza fa fanangonana fako eto an-drenivohitra no efa mila ho tapaka mihitsy ny lalana amin’izao fotoana izao. Voakasik’izany ny etsy Ambodin’Isotry, toraka izany koa ny eny amin’ny Petite Vitesse, Anosibe . ..Ankoatra ny fofona miparitaka etsy sy eroa izay miteraka tsy fahasalamana ho an’ny mponina dia vao mainka mampitombo avo roa heny ny fitohanana eto an-drenivohitra koa izao fitobian’ny fako etsy sy eroa izao. Nilaza ary ity tale jeneralin’ny SMA ity fa ho avy tsy ho ela ireo fiarabe miisa 38 hanatanteraka ny fanalana ireo fako ireo. Amin’ity faran’ny herinandro ity hoy ny vaovao no ho avy ny andiany voalohany ka hanomboka hiasa tsy an-kiato. Nitondrany fanazavana ihany koa ny mikasika ilay fitobiam-pako vonjimaika etsy amin’ny digy Anosipatrana. Nambarany fa tsy azo hidirana ny eny Andralanitra rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao, antony tsy maintsy hanatobiana ny fako eny Anosipatrana aloha.
Pati
Legende : Miandry fiara vaovao izany toy ny fako manapaka lalana eto an-drenivohitra itony !
 

Dans la même rubrique