airtel

Sosialy

10-juin-2021

Sosialy

Faktioran’ny JIRAMA Velon-taraina ny ankamaroan’ny mpanjifa

Sample post image

Tena nampitaraina fatratra ny mpanjifa ny faktiora navoakan’ny JIRAMA tamin’ny fandaniana jiro sy rano tamin’ny volana mey lasa teo.

10-juin-2021

 Olona tsy latsaky ny 50 isan’andro no tonga manao fitarainana etsy amin’ny JIRAMA 67 ha nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ka misy ireo mangata-panazavana tsotra fotsiny raha misy ihany koa ireo manatitra fangatahana mihitsy mba hahafahana mijery sy manara-maso ny kaonterany. Anisan’ny fanazavana entin’ireo mpandray ny mpanjifa ao an-toerana mantsy ny filazana fa sao ny kaonteran’ilay mpanjifa no simba, antony mampidangana ny fandaniana hataon’ny isan-tokantrano. Raha araka ny fitarainana nataona Renim-pianakaviana iray dia raha 10.000 Ar isam-bolana ny vola fandoany dia lasa 100.000 Ar izany tamin’ny volana mey lasa teo. Nisy ihany koa ireo zatra mandoa faktiora 60.000 Ar nefa lasa 120.000 Ar izay lasa avo roa heny mihitsy.

Pati

 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Firenena manana taha ambony dia ambony amin’ny trangana tsy fahampian-tsakafo aty

Card image cap
06-mai-2024

Mahatratra 60000m3 isan’andro ny tsy fahampiana rano eto Antananarivo amin’izao fotoana izao

Card image cap