airtel

Sosialy

16-févr-2021

Sosialy

Famahana olana Miantso fihaonana amin-dRajoelina ny Paramed

Sample post image

Tapaka taorian’ny filan-kevitra nasionaly tsy ara-potoana notanterahin’ ireo paramedy ny 13 sy 14 febroary

16-févr-2021

 

lasa teo fa atsangana ny hisahana ny fifampiresahana na “comité de négociation” izy ireo manao fitakiana ny zony dia ny “indemnités de requisition” 228 andro nandritra ny fahamehana ara-pahasalamana sy ny fampidirana ireo mpilatsaka an-tsitrapo 10 000 ho mpiasan’ny fahasalamana. Tapaka nandritra izany koa fa hanao fiatoana sendikaly na “trêve syndicale” izy ireo mandritra ny 72 ora nanomboka omaly maraina. Araka izany, tsy hisy hamonjy toeram-piasana hanatanteraka fitokonana ireo paramed nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso alarobia fa hijanona any an-tranony avokoa. Mandritra io 72 ora io no hangatahan’izy ireo ny fihaonana amin’ny filoham-pirenena Rajoelina sy vahaolana mahakasika ireo fitakian’izy ireo. Aorian’ izay kosa, araka ny fanazavana hatrany, dia hiverina sy hihamafy ny fitokonana raha toa ka tsy misy valiny maha afa-po azy ireo. Mametraka koa izy ireo ny tsy tokony hisian’ny fanapahana karama na famindran-toerana na “affectation disciplinaire” mandritra sy aorian’ny fitokonana.

 

Marigny A. sy Pati

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap