airtel

Sosialy

23-nov-2021

Sosialy

Famatsian-drano an’Ampitatafika Nampiana 3 vaovao ireo sinibe 5 teo aloha

Sample post image

Nampiana 3 vaovao ireo sinibe 5 efa napetraka teo aloha hamatsiana rano fisotro madio ny mponin’Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

23-nov-2021

Omaly no nanatanterahana izany, niarahana tamin’ny Ministry ny rano Rakotondrazaka Adrien, ny solombavambahoaka voafidy eny an-toerana ary ny Ben’ny tananan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina. Nambaran’ny Ministra nandritra izany fa miezaka hatrany izy ireo mitady vahaolana amin’izao haintany misy eto amintsika izao. Anisan’ny vahaolana fohy ezaka efa tanterahin’izy ireo ohatra ny fametrahana bombona tahaka izao hatao ho an’ireo tanana miorina amin’ny faritra ambony toy ny ao Ampitatafika izao. Hisy ihany koa ny fandefasana ranon’orana artifisialy manomboka anio raha feno tanteraka ny fepetra raha araka ny fanazavan’ny ministra hatrany. Anisan’ny vahaolana lavitr’ezaka kosa ny fanatanterahana ilay tetikasa iarahana amin’ny vondrona Eoropeana amin’ny taona 2022 mitentina 73 tapitrisa Ar. Anisan’ireny ny fanamboarana ny ao Mandroseza, Laniera, Ambohitradrapeto ary Ambohitrimanjaka. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka moa no nandraisan’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina izao fahatongavan’ny ministry ny rano teny an-toerana izao. Nomarihiny manokana fa tamin’ny herinandro no tena mafy ny tsy fahampian-drano teny an-toerana raha efa mba mivaha amin’ny ampahany izany ankehitriny.
Pati

Legende : Nandritra ny fandalovan’ny Ministry ny rano teny an-toerana omaly
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap