airtel

Sosialy

23-août-2022

Sosialy

Famatsian-tsolika mikorontana Misy miketrika hananganana kaompania vaovao ?

Sample post image

Mandeha ny ketrika orinasa mpaninjara solika fahadimy eto Madagasikara, izay ahiana ho antony miteraka io olana ara-pamatsiana tato anatin’ny roatokombolana io.

23-août-2022

Misy politika avo lenta, mety ho fifanolanan’ny samy matanjaka raha ny resaka mandeha. Mpandraharaha goavana sy matanjaka eto amin’ny firenena no voalaza fa miketrika an’io, ary misy tetika hanaovana izay hahalao monina ny orinasan-tsolika iray isan’ny manana toby mpaninjara betsaka eto satria mbola olana ho azy ny fanatobiana solika, ny toby hamarotana azy,… Isan’ny olana be mantsy ny ara-lojistika ahafahana miketrika izay orinasa fahadimy amin’ny sehatra ara-tsolika izay. Ankoatra ny tsy fananan’ny Fanjakana vola izay olana goavana voalohany, heverina fa antony nampitsefotra ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) izay nambara fa hanafatra mivantana solika sy entana ilaina andavanandro io lafiny lojistika io. Mandeha ny resaka fa kotrehina halaina aloha ny toby fametrahana sy fanadiovana solika taloha ao Toamasina izay ampiasain’ny iray amin’ireo kaompanian-tsolika eto, avy eo ireo toby famarotana solika,… Volana vitsy izay, orinasan-tsolika iray no nalaza fa handao hiala amin’ny fandraharahana eto Madagasikara noho ny resaka trosa mifampiditra, ka matiantoka, io no voalaza fa efa saika hotatazan’ny mpandraharaha goavana iray saingy tsy tanteraka ilay fialana teto Madagasikara. Mandeha ny ketrika avo lenta ka asa na hahomby na tsia? Stratejika be ny solika, ary misy vola be miodina! Tsy misy resaka tombotsoam-bahoaka anefa aloha ny adihevitra, fa mbola ny bizina goavana mety tsy ho takatry ny tsikalakalam-pieritreretan’ny vahoaka tsy mandady harona. Tsy misy fifaninana izany ny resaka vidiny fa tsikombakomba, mitovy avokoa.
TENA MIDANGANA BE
Ankehitriny, sady mividy lafo ny Malagasy no mbola misy olana ihany ny fisitrahana satria tena ifampitadiavana ny solika amin’ny toerana sasany. Vao avy niharan’izany ny tamin’ny làlam-pirenena faha-4 sy faha-7, ary any manomboka misy olana ihany koa ny any Antsiranana. Niainga tany amin’ny jona 2019 ny adihevitra goavana teo amin’ny Fanjakana Rajoelina sy ny mpandraharahan-tsolika momba ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Nampanantenaina tamin’izany ny fampidinana solika izay nanaovana fampanantenana goavana, saingy 150Ar sy 100Ar ny fidinany ho an’ny lasantsy sy gazoala, tsy arakaraka ny serasera natao. Ny vidiny 75 dolara ny dolara no nikajiana azy tamin’izany. Tonga ny 2020, nitotongana hatrany amin’ny 10 dolara ny vidin-tsolika, nijotso tanteraka ny vidiny maneran-tany, fa I Madagasikara tsy mba nisitraka. Tonga ny jolay 2022, nakarina 1500Ar sy 1800Ar isaky ny litatra, izay tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’I Madagasikara, eny fa na ny tamin’ny 2006 niakaran’ny vidiny iraisam-pirenena 136 dolara tany ho any aza. Ny antsika anefa, 110 hatramin’ny 120 dolara tamin’io fotoana nampiakarana azy io, ary efa manodidina ny 95 hatramin’ny 100 dolara indray izy ankehitriny. Tsy vao tamin’ity taona ity ihany koa no nisy solika tafiakatra 120 dolara ny vidin’ny barila, saingy tsy mbola nisy fiakarana vidin-tsolika nihoatra ny 500Ar izany isaky ny litatra teo amin’ny tantara afatsy izao amin’ny fitondran-dRajoelina izao. *
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap