airtel

Sosialy

30-août-2022

Sosialy

Famatsiana vary sy varim-bazaha Manatsahatra i Inde, tsy antenaina i Pakistan

Sample post image

Miha henjana ny famatsiana ara-tsakafo maneran-tany, ary isan’ny mizaka ny vokatr’io i Madagasikara izay niantehitra tamin’ny fanafarana lava,

30-août-2022

ary ny Filoham-pirenena aza sahy niteny fa tsy afaka hiandry vary roa taona vao miakatra. Nolazaina fa fampandrosoana ary nireharehana ny fanafarana 20 sambo. Ankehitriny, ny hafarana mihitsy no efa manomboka tsy misy. Taorian’ny lafarinina vita amin’ny varim-bazaha izay naato noho ny fiakaran’ny vidiny ao anatin’ny firenena Indianina, nanapa-kevitra ny hampiato ny fanondranana vary (brisure) ny Fanjakana Indianina. Efa nanomboka ny volana may no norarana ny fanondranana varim-bazaha na “blé”. Manahy ny Indianina eo anatrehan’ny olana ara-tsakafo maneran-tany, ka miezaka mifehy ny fanondranana hitsinjovana kokoa ny ao anatiny. Miakatra isan-kerinandro ny vidin’ny lafarinina, ny vary,… any amin’io firenena faharoa be mponina indrindra eto ambonin’ny tany io. Efa 70 roupies na 0,88 euro eon y kilaon’ny vary, raha 50 roupies na 0,63euros teo aloha. Ny lafarinina niakatra 200% ny vidiny eo amin’ny fanondranana. Mahatratra 300 euros ny taonina amin’ny lafarinina amin’izao fotoana izao. Manampy trotraka izany, lasibatry ny loza voajanahary ihany koa I Pakistan izay isan’ny firenena mpanondrana vary be. Tsy mbola nisy tao anatin’ny 30 taona, ka mponina manodidina ny 33 tapitrisa amin’ny 220 tapitrisa no lasibatra. Efa maherin’ny 1000 no maty hatramin’ny jona, trano 1 tapitrisa simba, toeram-pambolena tsy latsaky ny 80 000 ha simba, làlana 3400km sy tetezana 157 difotry ny rano, biby fiompy 800 000 maty,… Lasibatry ny krizy noho izany ity firenena ity, izay midika fa hihena ny fanondranany, na hitsahatra mihitsy aza. Isan’ny mbola miankin-doha betsaka amin’ny fanafarana vary any ivelany isika Malagasy. Faha-17 amin’ny firenena mpanafatra entana any Ukraine, saingy efa lasibatry ny ady ny any, io fa voa ihany koa I Pakistan, mifehy tena I Inde. Manodidina ny 250 000 taonina isan-taona anefa ny fanafarana vary ataon’I Madagasikara ho fanampin’ny vokarina eto, izay tsy ampy. Mila mitodika amin’ny politikam-pamokarana anatiny. Mbola malalaka I Madagasikara, saingy ny finiavana no tsy misy, mbola ny haingitraingitra sy haingo ambony tsikoko aloha hatreto no handaniana an-jatony tapitrisa euros toy ny teleferika, Tanamasoandro,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap