airtel

Sosialy

17-mars-2023

Sosialy

Fambolena, angovo, indostria,… Naneho fahavonona ara-piaraha-miasa ny BAD

Sample post image

Tonga nihaona tamin’ny Filoham-pirenena am-perin’asa Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny delegasion'ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) omaly 16 martsa.

17-mars-2023

Nitarika ireo iraky ny BAD Rtoa Leila Mokkadem, Tale Jeneralin'ny BAD ho an'ny faritra Afrika Atsimo. Notsipihina fa mpiara-miombon’antoka stratejika izay manohana an'i Madagasikara amin'ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy nyy BAD. Anisan'ny noresahana nandritra izao fihaonana izao, indrindra ireo tetikasam-pampandrosoana izay hiarahana amin'ny BAD. Anisan'izany ny sehatry ny fanjarian-tsakafo sy ny fahaleovantena ara-tsakafo izay nambara fa nanaovan’ny Filoha Rajoelina adisisika manokana nandritra ny fihaonana an-tampon'i Dakar farany teo, ka nahazoana fanohanana avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka teknika sy ara-bola, hoy ny Fanjakana. Raha ny seraseran’ny mpitondra tamin’ny janoary teo nisian’ny dia tany Dakar moa dia hoe: nahazo fanohanana mitentina 334 tapitrisa dolara avy amin'ny BAD ary 200 tapitrisa dolara avy amin'ny FIDA ny fandaharan’asan'ny Fitondram-panjakana malagasy hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara tao anatin'ny "Pacte National sur l'alimentation et l'agriculture". Raha ny tetikasa hiarahana amin'ny BAD manokana, tahaka ny any Atsimon'ny Nosy, dia mifameno hoy Ramatoa Leila Mokkadem, satria tsy ny fanajariana ny tany hambolena ihany no himasoan'izy ireo fa eo ihany koa ny fampidirana rano, ny fanamboarana ny lalana ary ny fametrahana ivon-toerana hanodinana ireo vokatra. Hafainganina ihany koa hoy ity solontenan’ny BAD ity ireo tetikasa eo amin'ny sehatry ny angovo izay antoky ny fampandrosoana sy fampivoarana ara-indostrialy. Isan’ny noresehan’io Tompon’andraikitry ny BAD io ihany koa ny fanatsarana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fanofanana ny tanora mpandraharaha. Irariana mba tena hivadika asa sy ho tsara tantana, ka hisy fiantraikany amin’ny toekarena sy ny fampandrosoana eto Madagasikara ireny resaka fampindramam-bola sy trosa ary fanampiana samihafa ireny. Irariana ho tanteraka sy hahomby fa tsy ho resaka ambony latabatra no betsaka, na ho tari-drano an-kilahila ka ny very hatrany no betsaka!
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.

Card image cap
21-sept-2023

Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.

Card image cap