airtel

Sosialy

26-janv-2023

Sosialy

Fambolena sy fanjarian-tsakafo Mifanipaka ny kabary any ivelany sy ny zava-misy eto…

Sample post image

Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)

26-janv-2023

ny fihaonana an-tampony momba ny fambolena sy fanodinana ny vokatra ara-pambolena aty Afrika, andiany faharoa. Fihaonana an-tampony iarahan’ny Vondrona Afrikana sy ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) mikarakara, nomena ny lohahevitra: "Nourrir l’Afrique : souveraineté alimentaire et résilience ». Nandray anjara fitenenana tamin’io ny Filoha Rajoelina omaly, nanoloana ireo Filoham-panjakana sy governemanta Afrikanina miisa 33 sy ireo mpanatrika. «Miantso ny firenena afrikanina rehetra aho mba hiara-hiasa hiadiana amin’ny hanoanana satria mampihoron-koditra ny tarehimarika ankehitriny: olona 25000 isan'andro no matin'ny hanoanana maneran-tany», hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Nambarany fa manana fitaovam-piadiana tena matanjaka noho ny baomba I Afrika. “Ny tanintsika, ny tanora, fa indrindra ny mpamboly izay tokony hampiana mba ahafahantsika manova ny tantaran’I Afrika”, hoy izy. Nambarany fa tokony ho afaka mahavita tena ara-tsakafo ny isam-pianankaviana. Ny hany vahaolana dia ny fampitomboana ny vokatry ny tantsaha tsirairay amin’ny alalan’ny tany, masom-boly, zezika, ny tantsaha, ka hanompanana vola betsaka. Nolazaina fa efa miompana amin’izany tanteraka i Madagasikara. Niantso ireo mpitondra Afrikanina amin’ny hametrahana drafitra azo refesina mba hanovana ny tantaran’I Afrika I Andry Rajoelina. Raha ny kabary aloha dia tena mipetrapetraka, tahaka ny hoe: tompondakan’ny fahaiza-mitantana isika, tsy misy kere, tsy misy tsy fanjarian-tsakafo, tsy niampanga ny fitondrana amin’ny tsy fahafehezana sy ny fihitaran’ny kere ny depiote,… Toa hafa ny zava-misy eto, ary hafa ny tanterina any ivelany? Iza no nirehareha tamin’ny fanafarana PPN 20 sambo ary nilaza fa 2 taona vao miakatra ny vary ka tsy afaka hiandry an’izany? Iza no niteny fa mampidi-bola kokoa noho ny vary ny artemesia? Ny resaka laharam-pahamehana, moa mba tena misy hiviny ve ny vola nantontona tamin’ny fambolena mitaha amin’ny kianja manara-penitra sy ny maro hafa? Ny volana jona 2022, nanao fikaonan-doham-pirenena momba ny fambolena, nolazaina fa efa vonona ny 4 miliara Ar hanohanana ny tantsaha. Midika inona izany mitaha amin’ny kianja 77 tapitrisa dolara izay mahazo traktera 5600 isa raha 50 tapitrisa Ar ny iray? Manao ahoana ny tetibola ho an’ny fambolena sy ny fiompiana mitaha amin’ny 151 tapitrisa dolara trosaina hanaovana teleferika?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap