airtel

Sosialy

03-août-2021

Sosialy

Fambolena sy fiompiana Manampy ny tantsaha ny tahirim-bola FDA

Sample post image

Manamora ny fisitrahan’ny mpamokatra ireo tolotra hahafahany mampitombo ny famokarany sy ny fidiram-bolany ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono amin’ny alalan’ny FDA na Tahirim-bola ho an’ny

03-août-2021

 Fampandrosoana ny Famokarana, araka ny fampahafantaran’io Minisitera io. Ao amin’ny Faritra Androy, dia ny Fandaharan’asa FORMAPROD no manampy ny tanora amin’ny fananganana ny antontan-taratasy rehetra sy manao tantsoroka hahazoana tohana avy amin’ny FDA. Tanora tantsaha maro no efa nahita tombotsoa avy amin’izany. Anisan’izany i Mizapitoro, tanora avy ao amin’ny Fokontany Heba, kaominina Beara, distrika Amboasary Atsimo. Taorian’ny nisitrahany fiofanana momba ny fandraharahana sy GALS ary osy iray avy amin’ny Fandaharanasa FORMAPROD dia vola mitentina 1.500.000Ar no tohana azony tamin’ny FDA, nahafahany nividy osy 12. Efa manitatra ny fiompiany izy ankehitriny ka nividy omby iray, hoy hatrany ny fanazavana. Toy izany koa Mampila avy ao amin’ny Kaominina Andalatanosy, Distrikan’Ambovombe, Faritra Androy izay nahazo fiofanana momban’ny fambolena katra na voanjo sy fampitaovana toy ny angady sy tady ary masomboly avy amin’ny FORMAPROD. Efa nahazo tohana tamin’ny FDA izy nahafahany nanitatra ny famokarany nirosoany tamin’ny fambolena tongolo, raha ny fizarana nataon’io Minisitera io hatrany.

Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap