airtel

Sosialy

17-juin-2022

Sosialy

Fambolena sy fiompiana Resy lahatra amin’ny paikadin-dRavalo ihany Rajoelina

Sample post image

Nisokatra omaly 16 jona ny Fikaonandoham-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fizakan-tena ara-tsakafo.

17-juin-2022

Nandritra io no nilazan’ny Filoha Rajoelina, fa ny fambolena no fanoitra lehibe entintsika miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo ary isan'ny sehatra antoky ny fitomboan'ny hari-karentsika. Manery antsika tsy maintsy hamokatra sy hanodina eto an-toerana ireo entana rehetra ilaina amin’ny fiainana andavanandro mba tsy hiankin-doha amin’ny hafa intsony ny toe-draharaha maneran-tany. Nilaza ny Filoha fa vonona ara-bola ny Fanjakana hametraka “guichet agricole” manerana ny distrika ahafahan’ny tantasaha mahazo famatsiana zezika sy masom-boly, ireo vokatra biolojia hamonoana bibikely, hamatsy na hivarotra ireo milina sy fitaovam-pamokarana… Vonona hametraka vola hampindramina ny tantsaha ka hijery ny hoe: ahoana no hampidinana ilay zana-bola na “taux d’interet” ho an’ny tantsaha. Horaisina amin’ny fanapahan-kevitry ny minisitra ny hametrahana lalàna izay tonga dia hampiharina amin’ny fizarana ny tany hanomezana karatany ho an’ny tanimbary, ho an’ny tantsaha, … Afaka fotoana fohy, afaka enim-bola raha ela dia hisy vokany satria hozaraina ho an’ny tantsaha ny tany, hoy i Andry Rajoelina. Hisy ihany koa ny “titre vert” mandritra ny 5 taona, ary raha mahavokatra dia hahazo “titre definitif”. Ho hita ao ihany koa ny birao hanomezana fanampiana sy toro-hevitra mahakasika ny fananan-tany. Eo ihany koa ny fanomezana fampiofanana sy toro-hevitra hampiroboroboana ny seha-piharian'ireo tantsaha. Ilaina ihany koa ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina, entina hampandrosoana ny fandraharahana ara-pambolena (agri-business) sy hanohanana ny fampiroboroboana ny sehatry ny famokarana.
TARA 13 TAONA
Zavatra efa nisy sy efa natao nialohan’ny fanonganam-panjakana notarihin’Atoa Andry Rajoelina talohan’ny 2009 avokoa izao resahina ankehitriny izao. 13 taona aty aoriana ve ny Fanjakana vao resy lahatra fa tena fanohitra ho an’ny firenentsika ny fambolena sy ny fiompiana izay ny 80% amin’ny Malagasy no miantsehatra aminy? Programa sy paikady nentin-dRavalomanana nitantana ny firenena ny Madagasikara voajanahary na “Madagascar naturellement” izay nitodika tamin’ny tontolo ambanivohitra sy ny tantsaha. Talohan’ny 2009 no efa nisy ny PSDR izay nentina nanomezana tantsoroka ny tantsaha tamin’ny ara-bola, fitaovana, masomboly, fampiofanana,… Efa nisy anie izany “vitrine de Madagascar” e! Natao fifaninanana ny famokarana ka izay nahavoka-bary betsaka indrindra isaky ny hekitara notolorana fankasitrahana. Tamin’izany anefa no efa nisy fanafarana ombivavy beronono izay averina atao ankehitriny io. Voaporofo ny fahatarana 13 taona ho an’i Madagasikara. Tena finiavana hitodika amin’ny laharam-pahamehana sa teren’ny zava-misy ara-politika sy ara-tsosialy ka mahita hoe: aty no làlana sy ahafahana manao pimaso ara-politika sy ara-tsosialy? Ny oktobra 2021 teo mantsy dia mbola nisy ilay vava tsy ambina izay tsy hay na tsy fahalalana na inona loatra nireharehana ny maha fampandrosoana ny fanafarana sambo 20 mitondra entana, ary nilazana fa “tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra”!
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap