airtel

Sosialy

31-mars-2022

Sosialy

Famerana ny vidin’entana Hifampidinihana amin’ireo mpandraharaha

Sample post image

Hiroso amin'ny fanatanterahana fanka-kevitra amin'ireo mpandraharaha misehatra eo amin'ny fanafarana sy fivarotana ireo entana ilaina andavanandro ny Minisiteran’ny Indostria sy ny varotra,

31-mars-2022

taorian’ny fankatoavan’ny Filankevitry ny minisitra omaly. Hisy ny fepetra ho raisina hamerana ny vidin'ireo entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro, aorian'ny fivoriana maika izay hotanterahana io. Eo amin4ny sehatra iraisam-pirenena, ny fisondrotry ny vidim-piainana dia vokatry ny fiakaran ny “fret maritime”, ny fisondrotry ny Vidin-tsolika, ny fitotongan'ny famokarana eran-tany, ny firenena mpamokatra tsy mamoaka intsony ny entana vokariny fa mitahiry izany ary ny voka-dratsin’ny krizy iraisam-pirenena any Ukraine, hoy ny fanamarihana. Eo amin'ny sehatra nasionaly dia eo ny fiantraikan'ny krizy ara-pahasalamana, ny fahapotehan'ny lalana vokatry ny nandalovan 'ny rivodoza farany teo, ny tsy fahampian’ny famokarana eto an-toerana izay niteraka toe-tsaina mampidangana ny vidin'entana teo amin’ireo mpisehatra ara-barotra ary ny fanodinkodinana ny vidin'ny vidiny eny an-tsena. Ho hentitra ny fanaraha-maso izay mety endrika fanararaotana ny fampiakarana ny vidin'ny entana tsy mifanaraka amin'ny tolotra sy tinady. Araka izany, ny Lalâna laharana 2018-020 manitsy ny Lalàna momba ny Fifaninanana dia manome ao amin'ny andininy faha-2, andalana faha-4 sy faha-5, ny fandraisana fepetra vonjimaika ataon’ny Governemanta raha misy tope-javatra toy ny ampihimamba, fahasahiranana maharitra amin'ny famatsiana, na toe-javatra miavaka. Arak izany dia hisy fepetra vonjy maika mila raisina sy azo ampiharina aorian’ny concertation na ny fivoriana lehibe miaraka aminireo mpandraharaha na “opérateurs” mpamokatra “industriels/ Producteurs”, ny mpanafatra na “importateurs”,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap