airtel

Sosialy

01-avril-2022

Sosialy

Famerana ny vidin’ny PPN Sao dia lasa resaka ambony latabatra fotsiny e ?

Sample post image

Taorian’ny fankatoavana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny fepetra famerana ny vidin'entana, natomboky ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fifampidinihana amin’ireo mpanafatra entana ilaina andavanandro (PPN).

01-avril-2022

 Nihaona tamin’ny mpanafatra entana lehibe ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana omaly 31 marsa 2022. Nifampidinihana miaraka ny famerana ny vidin’entana ambony indrindra (plafonnement des prix et plafonnement des marges) mandritra ny telo volana. Voakasik'izany ny menaka, ny siramamy, ny lafarinina, ny savony ary ny zezika. Efa nampahafantarina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny hisian’ny fivoriana lehibe miaraka amin’ireo mpandraharaha, ahafahana miroso amin’izany « plafonnement » izany. Tsy ny mahafaty antoka ny mpanafatra entana no tanjona, hoy hatrany i Edgard Razafindravahy, fa ny ahazoan’ny rehetra tombony nefa tsy mampijaly ny vahoaka Malagasy. Mila jerena ihany koa ny ahafahana mampidina ny vidin’entana amin’ny alalan’ny fampiasana fomba fitaterana hafa. Ohatra ny famatsiana ireo tanan-dehibe izay manana seranana amin’ny alalan’ny sambo : Mahajanga, Antsiranana, Toliara… Ohatra ihany koa ny fivondronan’ny mpanafatra entana ka hiray sambo ny PPN ho an’ny toerana iray. Raha mbola hitohy rahampitso izany fivoriana izany dia efa nisy sahady soso-kevitra naroson’ny mpandraharaha ny mahakasika ny « frêt maritime » na ny vola aloha amin’ny sambo. Ho sokajiana tsara izany ireo entana izay ho ferana ny vidiny avo indrindra, amin’ny alalan’ny anarany, ny kalitaony sy ireo toetoetra ara-teknika mahakasika azy. Raha ny siramamy ohatra dia efa voafaritra fa ilay ICUMSA 035 na 045 no ho voakasik’izany "plafonnement" izany. Maro koa ny manamarika ankehitriny, fa ny resaka ambony latabbatra aloha izao, dia hita taratra tokoa, fa ny tena fampiharana azo tsapain-tànana matetika maivana. Sarotra rahateo ny fanaraha-maso, ary tsy vitan’ny roa na telo andro. Mila fifanomezan-tànana sy fanetsehana ireo ambaratongam-pahefana sy vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana, raha tiana tsy hijanonana ho resaka mbola latabatra fotsiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap