airtel

Sosialy

12-mai-2022

Sosialy

Fametrahana pylone ao Ambodiafontsy Tsy afa-manoatra amin’ny ataon’ny fanjakana ny kaominina

Sample post image

Tsy afa-manoatra amin’ny hafitsoky ny Fitondram-panjakana ny kaominina Ampitatafika manoloana ilay pylone najoron’ny Ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra an-tery setra ao amin’ny Fokontany Ambodiafontsy.

12-mai-2022

Efa vita tanteraka mantsy ny fametrahana ity foto-drafitrasa ity no sady natao haingana raha araka ny fitarainan’ny fokonolona. Tao anatin’ny herinandro monja izany dia efa mijoalajoala ilay pylone, izay marihina fa naorina eo amin’ny faritra misy ny tokontanin’ny zandarimariam-pirenena, ny CSB II raha misy EPP ihany koa eo akaikiny toerana izay tena be olona tokoa. Efa nisy ny hetsika fanangonan-tsonia nataon’ny fokonolona nentina nandavana izany izay efa nahatratra an-jatony. Efa nisy ihany koa ny fivoriana niarahana tamin’ny Ben’ny tanana sy ny ARTEC ary ireo olobe tao an-tanana ary efa namoaka taratasy ny amin’ny tokony hanajanonana ny asa ny kaominina saingy tsy nisy vokany izany. Roa andro monja mantsy no niato ilay asa dia nitohy ary tena hainganabe ka tsy nijanona raha tsy vita hatramin’ny farany. Mbola tsy nahazo alalana avy tamin’ny kaominina anefa ilay orinasa nanao izany. Tsy mbola nandoa ny vola saran’izany tokony alohany eo anivon’ny kaominina ihany koa izy ireo fa nandalo nanontany fotsiny dia izay raha araka ny fanadihadiana natao. Nanamafy moa ireo fokonolona ao Ambodiafontsy fa hihamafy ny hetsika hataon’izy ireo amin’ny fanoherana ity pylone najoro ao amin’ny faritra misy azy ity raha toa ka tsy mandray ny andraikiny ny Fitondram-panjakana. Efa nisy hoy izy ireo ireo mpitandro ny filaminana nalefa tety Ambodiafontsy mba tsy hahafahanay mihetsika saingy hijoro hatrany izahay ho fiarovanay ny fahasalamanay sy ny taranakay.
Pati
Legende : Efa avobe tahaka izao ilay pylone ao Ambodiafontsy
 

 

Dans la même rubrique

01-déc-2023

Raha toa ka tany amin’ny laharana faha-119 firenena 121 isika ny taona 2022 teo amin’ny tondro maneran-tany

Card image cap
28-nov-2023

Voasokajy ho firenena mahantra sy fadiranovana indrindra maneran-tany i Madagasikara,

Card image cap
28-nov-2023

Miha mikaikaika i Antananarivo amin’ny fahatapahan-drano lavareny,

Card image cap
28-nov-2023

Tafakatra 700 Ar sahady ny iray amin’ny atody akoho amin’izao eny an-tsena raha efa misy

Card image cap