airtel

Sosialy

05-janv-2023

Sosialy

Fametrahana vola amin’ny banky “Mbola ezaka mafy ny fampianarana ny malagasy”

Sample post image

Tratranay 100% ny noeritreretinay natao tao anatin’izay 6 volana nijoroan’ny banky malagasy 100% NIM na “Nouvelle institution de micro finance” izay, hoy ny tompon’andraikitry ny seraseran’izy ireo, Rija Disaine.

05-janv-2023

Vinavina ny hanokatra ivontoerana na “agence” miisa 14 eto Madagasikara, hoy izy. Misy anankiroa izany izao eto Antananarivo dia ny etsy Ambohidahy sy eto Andavamamba. Ankoatran’ireo dia efa misy koa I Fianarantsoa, Ihosy, Ambalavao, Manakara, Mananjary, Toamasina, Antsiranana, Mahajanga, Toliara. Mieritreritra hanokatra 9 indray izahay amin’ity taona 2023 ity. Efa nahazo mpanjifa miisa 4873. Tanjona koa moa ny hampitombo asa eto Madagasikara. Miisa 117 izany izao no miasa amin’ireo ivontoerana ireo ary ireo mponina avy ao an-toerana ihany. Mitentina 1,2 miliara Ariary any izao ny vola efa nampindramina tato. Mbola mila fanabeazana be kosa isika malagasy mikasika ny fanaovana petra-bola. Ary isan’ny tanjona izay hoe ahoana no atao ahafahan’ny malagasy mametraka vola aty amin’ny banky. Mbola vitsy ireo malagasy sahy mametraka ny volany aty amin’ny banky ahafahany manao tahiry? Na maro aza ny fanentanana hoe 100% malagasy ilay izy dia mbola tsy tafiditra amin’izay ny toetsain’ny malagasy amin’ny ankapobeny. Saika hihindram-bola foana matetika no hakanesan’ny olona aty amin’ny banky. Tena tsy ampy fampianarana amin’io fametrahana vola amin’ny banky io isika malagasy ka mbola mila ezaka mafy izahay aty amin’ny sehatry ny banky amin’izay lafiny fampianarana izany izay na ilay antsoina hoe “éducation financière”. Izahay moa miompana amin’ny fanampiana tantsaha fa na aty ambanivohitra aza io mbola tantara be. Any ambanivohitra izy mbola betsaka kokoa. Vitsy koa moa ny malagasy sahy miditra amin’ny sehatra ara-dalana fa saika tsy manara-drafitra na “informel” no betsaka eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Rija Disaine
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Firenena manana taha ambony dia ambony amin’ny trangana tsy fahampian-tsakafo aty

Card image cap
06-mai-2024

Mahatratra 60000m3 isan’andro ny tsy fahampiana rano eto Antananarivo amin’izao fotoana izao

Card image cap