airtel

Sosialy

30-juin-2021

Sosialy

Famitaham-bady Nahavita nangalatra zaza menavava ilay vehivavy

Sample post image

Vehivavy namitaka ny vadiny ary nilaza fa bevohoka no anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fahaverezana zaza menavava vao teraka tao amin’ny hopitalin’Andapa

30-juin-2021

. Araka ny vaovao avy any an-toerana, dia efa ela nitady zaza io vehivavy io sy ny vadiny. Namitaka sy nandainga tamin-drangahy anefa ilay vehivavy, ary nilaza fa nitoe-jaza. Hainy ny nanafina izany nandritra ny volana maro ary tamin’ity volana jona ity, dia nilaza fa hiteraka sy hifana any amin’ny rahavaviny izay monina ao an-tampon-tanànan’Andapa izy. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no namantarana fa rehefa tonga tany amin’ny rahavaviny tao Andapa izy dia niara-niketrika vahaolana, hamitahana ilay vadiny. Nijery sy nikaroka ny fomba rehetra izy ireo, ary ilay rahavaviny no nangalatra zaza vao teraka tao amin’ny hopitaly iray ao Andapa. Zaza vao teraka herinandro no nangalarin’ilay rahavaviny, ny 18 jona lasa teo. Mody namangy izy ireo ary nitondra zaza nitsoaka an-tsokosoko. Nisy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana ka tany amin’ny tanàna kely atao hoe Ambodimangahely no saron’ny polisim-pirenena any an-toerana izy ireo. Voasambotra avy hatrany ilay ramatoa sy ilay rahavaviny. Salama tsara ary naverina tamin’ny tena ray aman-dreniny kosa ilay zaza vao teraka, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap