airtel

Sosialy

22-août-2022

Sosialy

Famokaram-bary Ny tany mbola malalaka fa ny teknika no mila hatsaraina

Sample post image

Lasan-drizareo nizerianina hatreto ny amboaran’ny famokaram-bary aty Afrika, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo.

22-août-2022

Mahavoka-bary 8 tapitrisa taonina isan-taona ity firenena ity raha toa ka tombanana afaka hamokatra amin’ny taha avo indrindra, hatrany amin’ny 14,6 tapitrisa taonina isan-taona ny tany Afrikanina. Voadingan’i Nizeria izany i Egipta, izay tompondaka farany. Etsy ankilany dia azo lazaina ho mbola lavitra ezaka kosa isika eto Madagasikara eo amin’izay lafiny famokaram-bary izay satria raha voalaza ho manana tanimbary 1,3 tapitrisa ha isika hatreto dia mbola tsy mahavokatra afa-tsy 4.000.000 taonina, raha ny tarehimarika voaray farany. Raha ny atrikasa natao farany mikasika izay fahavitan-tena ara-tsakafo izay natao ny 2 Aogositra 2022 teo tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano dia ezaka atao ny hamokarana hatramin’ny 6.000.000 taonina amin’ny taona 2023 sy ny hampiakarana ny famokarana 10% isan-taona hatramin’ny taona 2027 mba hahafahan’i Madagasikara manondrana vary indray sy ny ho sompitry ny ranomasimbe indiana.

Raha mahavita 6 taonina isaky ny hekitara amin’ilay velarantany ampiasaina ankehitriny hambolem-bary izay 1 300 000 hekitara i Madagasikara dia efa mahatratra ny vokatra vitan’i Nizeria ary ampy vary tsara.Tena mbola midadasika i Madagasikara fa ny teknikam-pambolena no mila hatsaraina raha te hahazo vokatra tsara kokoa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap