airtel

Sosialy

16-févr-2024

Famoronana orinasa ho an’ny tanora

Tetikasa 10 tao anatin’ny JMCT hahazo fanohanana

Sample post image

Taorian’ny fifaranan’ny tetikasa JMCT (Jeunesse Malagasy Compétente au Travail)

16-févr-2024

notohanan’ny Kanadianina tamin’ny alalan’ny AMC (Affaires Mondiales Canada) sy ny UQTR (Université du Québec à Trois Rivières) ary ny AUF (Agence Universitaire Francophone), dia firosoana amin’ny dingana famadihana ho asa sy orinasa ireo tetikasa 10 mendrika indrindran’ireo tanora avy amin’ireo Ivon-toeram-pampianarana nisitraka io tetikasa JMCT io ny dingana manaraka. « Nisy asa marobe tao, ka iray tamin’ireo ny fanofanana ny tanora ho tonga mpandraharaha na «entrepreneurs », ka ny dingana farany omaly, dia fiaraharana tamin’ireo mpamatsy vola, ary manofana an’ireo tanora manana tetikasa efa matotra mba ho tonga orinasa tena mitsangana », hoy Atoa Rija Ravaloson mpandrindra ny lafiny fadraharahana eo anivon’ny JMCT. Rehefa natao ny sivana tamin’ireo tetikasa an-jatony nifaninana nanomboka ny faran’ny taona 2023, nijerena ireo izay heverina fa tosika kely fotsiny dia tonga orinasa, dia ireo 10 ireo no tafavoaka ho an’ny teto Antananarivo, ary amin’ny herinandro ny an’Ambositra sy Antsiranana. Misy lafiny teknika maro, ka isan’ny mason-tsivana nojerena ny hoe : tetikasa handeha tokoa ve ? Mamorona asa ve ? Miaro ny tontolo iainana sy maharitra ve ? Anisan’ny tetikasa novelabelarin’ireo tanora omaly moa ny fambolena sy fandraharahana mikasika ny « baie rose », fanamboarana biriky amin’ny alalan’ny teknika hafa sy miavaka, fikirakirana amin’ny fomba hafa ny akoho,… Nosoniavina omaly noho izany ny « Lettre d’intention » niarahana tamin’ny NIM (Nouvelle Institution de Micro-finance). Hifampitantanana amin’ireo tanora nitondra ny tetikasa amin’ny fananganana orinasa ny NIM izay hitondra tan-tsoroka ara-pampindramam-bola. Ny tetikasa JMCT no tapitra fa ny tan-tsoroka sy ny famolavolana ireo tanora ho tonga mpandraharaha sy hitsanganan’ny orinasa indray izao no manomboka, ary tsy hijanona intsony raha mbola misy tanora mianatra ao anatin’ireo ivon-toeram-pampianarana mpiara-miombon’antoka amin’ny JMCT, hoy hatrany Atoa Rija Ravaloson. « Tetikasa maro ka misy efa niodina nandritra ny 18 volana, ka miovaova araka ny seha-pihariana sahanin’izy ireo ny vola ilaina sy miodina ao anatin’ny tetikasa. Misy tsy mila famatsiam-bola be aza fa tohana kely dia mandeha. Misy efa mandeha fa ampiana kely sisa hahafahan-dry zareo mampiroborobo sy mampaharitra an’ilay izy. Natao mba hifanaraka amin’ny fidiram-bolan’ilay orinasa sy tetikasa…», hoy kosa Atoa Atoa Harizaka Rakoto Tale Jeneralin’ny NIM.
Toky R

 

Dans la même rubrique