airtel

Sosialy

22-sept-2021

Sosialy

Famoronana tetikasa tohanan’ny Orange Fantatra ireo 3 mendrika indrindra amin’ny “POESAM 2021”

Sample post image

Nivoaka ny valin’ny fifaninanana momba ny tetikasa sy fandraharahana ara-tsosialy POESAM 2021 na « Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient (POESAM) 2021, izay nokarakarain’ny Orinasa orange.

22-sept-2021

 Ho an’ny fifaninanana nasionaly teto amintsika izay niditra tamin’ny andiany faha-11, dia tetikasa miisa 3 no voafidy ho mendrika indrindra heverina hitondra fivoarana ara-piarahamonina, dia ny AHIA, iTS, Koti Kota.Raha manodidina ny 50 no nifaninana, dia miisa 10 ireo tetikasa nasionaly niatrika famaranana nandalo teo anatrehan’ireo mpitsara eto an-toerana ny 17 septambra teo, nahafahan’izy ireo nandresy lahatra tamin’ny tetikasany, izay natao tetsy amin’ny Orange Digital Center Ankorondrano. Hisitraka “kits et services de connexion Orange" mandritra ny herintaona ireo tetikasa mendrika, ary hahazo tan-tsoroka amin’ny fanatanterahana ny tetikasany. Momba ireo tetikasa mendrika indrindra, dia mikasika ny “crowdfunding", mifantoka amin’ny fanampiana ara-panabeazana, toy ny fiantohana ny saram-pianarana, sakafo, fitaovam-pianarana,… mba hanampiana ny ankizy marefo eto Madagasikara ny AHIA. Nahazo loka 2.500.000 Ar miampy tan-tsoroka ara-teknika sy ara-barotra avy amin’ny Orange ity tetikasa voalohany ity. Ny iTS kosa dia « Boat Facebook Messenger » mifototra amin’ny torohay sy fampianarana amin’ny alalan’ny an-tambajotra nahazo loka 2 000 000Ar. Ny fahateolo izay ny “Koti Kota” kosa dia mifantoka amina paikady hamaliana ny olana momba ny tsy fahampiam-bola vokatry ny fikatonan’ny sisin-tany sy ny famaliana ny fahalemena ara-tsosialy naterany, ka 1 500 000Ar ny loka azon’ireo. Nahazo 1 000 000Ar kosa ny tetikasa voasokajy ho nanome vahana ny fampiroboroboana ny vehivavy na ny «Prix féminin ». Ho an’ny “Grand Prix international” kosa, dia 10 000 hatramin’ny 25 000euros ny fankasitrahana ho an’ireo telo mendrika indrindra, arahina tantsoroka am-bolana maro avy amin’ireo manam-pahaizan’ny Orange mba hanafainganana ny fampiroboroboana ny tetikasany. 20 000euros kosa ho an’ny “Prix feminine international”, izay ny 2020 no nanomboka nampidirina ao anatin’ny fifaninanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap