airtel

Sosialy

25-oct-2022

Sosialy

Fampanantenana poakaty hatrany Tena mbola mitohy ny delestazy

Sample post image

Miverina amin’ny tanjany indray ny delestazy, saika manerana an’Antananarivo. Maharitra ora maro, ary tsy mividy ora sy fotoana fa na maraina, na atoandro, na ariva, na alina, toa misy foana.

25-oct-2022

Tany amin’ny janoary nisian’ny olana fahamaizana sy fahasimban’ny milina tany Andekaleka no nilazana fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana no ho foana tanteraka ny delestazy. Afa nihoarana io fe-potoana io ankehitriny! Ny 18 febroary 2022, nanamafy indray ny minisitry ny angovo sy akoran’afo Andry Ramaroson hoe: “Tokony ho afaka tanteraka afaka iray volana ny delestazy. Mamelona ny milina faharoa ao Andekaleka ny Jirama amin’izao fotoana izao, ary hiditra amin’ny andrana. Amin’ny herinandro dia manana 24MW fanampiny, afaka iray volana tokony ho velona ny milina fahatelo, izay hamerina ny 90MW vokarin’Andekaleka, ary efa ao ihany koa ny milina fahaefatra. Tsy Andekaleka ihany anefa, fa i Farahantsana, amin’ity herinandro ity tokony hampiditra 5MW, hameno 28MW ny avy any Andekaleka. Hampihena ny delestazy io, ary afaka iray volana rehefa feno ny famokarana, dia heverina fa tsy hisy intsony ny delestazy. Raha mbola misy dia tsy delestazy intsony, fa “coupure”, toy ny resaka fahatapahana andrin-jiro izay mety mbola ilàna fitaovana, mety ho tapak’andro ny fanarenana”, hoy io Tompon’andraikitra ambony misahana ny angovo sy ny akoran’afo io. Nialohan’ny fahavitan’ny fametrahana ny milina fahaefatra tany Andekaleka ny herinandro lasa teo no nambara, fa tokony ho foana amin’izay ny delestazy rehefa feno 120MW ny vokatra miainga avy any Andekaleka. Vita ny milina fahaefatra, fa ny delestazy eo ihany, ary eo hatrany! Nohenjehina sy nolazaina ho mampiesona ny Fanjakana Rajaonarimampianina raha nampanantena fa afaka telo volana dia ho foana ny delestazy, saingy ny an’ity tsy indray tsy indroa tsy in-telo no nampanantena, saingy tsy hita ihany izay eo. Hatramin’ny Filoha ankehitriny nanambany ny mpitondra nifanesy fa 400MW no vitan’ny rehetra saingy ny azy hanao 400MW mandritra ny 5 taona. Aiza ho aiza izany izao? Sa nosoloina jiro “cobra” izay ekena fa ilaina ny fahazavana, fa ny tena ilain’ny toekarena dia ny angovo sy herinaratra? Ny tetikasa goavana mandeha amin’izao raha ny resaka angovo aloha, dia ny Farahantsana izay an’ny tsy miankina ary voalaza fa efa mamokatra 22MW tetikasa niainga tany Fanjakana Rajaonarimampianina, ny Sahofika mety hahavokatra hatrany amin’ny 200MW izay efa tany amin’ny 2016 no nanomboka nokotrehina ary afaka 5 taona eo vao ho vita,… Miandry ilay 400MW avy amin-dRajoelina fa herintaona sisa ananany. Moa ve araka ny vava be natao ny vokatra? Mbola azo hatao fitaovana hakana fon’olona indray io amin’ny 2023 ary mety hampanantena 800MW indray ve e?

Ankehitriny, hatramin’ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) teo aloha Atoa Jean Eric Rakotoarisoa aza naneho hoe: “Hay moa efa nisy Rebranding dia efa tsy Jirama intsony fa DEMATA (Delestazy Mandavan-Taona”.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap