airtel

Sosialy

08-juin-2022

Sosialy

Fampiakaran-karama mbola tsy mihatra Ny didim-panjakana no erany, hoy ny CNaPS

Sample post image

Nanao fanambarana mikasika ny fampiakarana ny karama farany ambany ho 250 000 Ariary ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS omaly.

08-juin-2022

Araka ny fanambarana nataon'Andriamatoa Filoham-pirenena ny voalohan'ny volana mey 2022 dia miakatra ho 250 000 Ariary ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina ary miakatra 5% hatramin’ny 25% kosa ho an’ny karaman'ny mpiasam-panjakana. Nitondra fampahafantarana ho an’ny mpikambana ao aminy kosa ny CNaPS fa ny fanatanterahana izany fampiakarana karama izany, mifandray amin'ireo fanampiana izay omen'ny CNaPS, dia miandry ny fivoahan'ny didim-panjakana, izay hamaritra ny fampiharana azy. Marihina moa fa ny 23 aprily no nilazana fa hakarina ny karaman’ny mpiasa tsy miankina, saingy hatramin’izao tsy mbola nivoaka ny didim-panjakana. Nanamafy ihany koa ny CNaPS tetsy ankilany fa ny fandoavana ny latsakemboka telovolana faharoa 2022 (aprily, may, jona) dia tsy mifarana raha tsy ny faha 31 jolay 2022. Noho izany, ireo mpampiasa izay tsy mbola nandoa ny telovolana voalohany 2022 sy ny taona taloha ihany no hiharan'ny fitakiana. Ny CNaPS dia anisan’ireo mpisehatra miantoka ny fampiroboroboana ny lafiny sosialy eto Madagasikara, hoy ny fanambarana. Araka izany, nilaza ity Tahirim-pirenena ity fa mitsipaka marin-drano izay mety ho fanambarana fa manohitra ny fampandrosoana himasoan'i Filoham-pirenena izy. Manome toky ireo mpikambana ihany koa ny CNaPS fa ny fanampiana rehetra toy ny fanampiana ho an'ny fianakaviana, ny vidi-takaitra sy ny fisotroan-dronono dia tsy misy fahatapahana ary mitohy hatrany araka ny lamina sy tetiandro efa napetraka. Ireo mpikambana no apetraky ny CNaPS hatrany ho laharam-pahamehana, hoy hatrany ity fanambarana ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap
22-avril-2024

Ela ny ela fa nampitandrina ny orinasa JIRAMA ihany ireo mponina eny Fenoarivo sy Alakamisy

Card image cap
19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap