airtel

Sosialy

09-mai-2022

Sosialy

Fampiakarana karama Lasa mampidangana ny vidim-piainana indray

Sample post image

Toy izay nitranga hatramin’izay dia miantsy vidim-piainana midangana indray ny fampiakarana karama, izay vahaolana,

09-mai-2022

natolotry ny fitondram-panjakana tamin’ity. Manomboka miseho ankehitriny ny efa nahian’ireo mpamakafaka sy mpanao politika maro. Eo ihany ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina an-davan’andro fa nandrangaranga ny fikasany hampiakatra saran-dalana hatramin’ny 1000 ariary koa ny faran’ny herinandro teo ireo mpitatitra. Misy sekoly tsy miankina sasany aza efa mampahafantatra dien’izao ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao aminy fa ho raketina 110.000 ariary be izao ny saram-pianarana ho amin’io taom-pianarana 2022-2023 hoavy io noho ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny sy ny fifanarahana tamin’ny fanjakana ny amin’ny tokony hampiakarana ny karaman’ireo mpiasa. Mizaka ny tsy eran’ny ainy mihitsy izahay ray aman-dreny, hoy ny fanehoan-kevitra. Vahaolana tokoa ve ilay fampiakarana karama, hoy ny hafa? Mazava ho azy fa hitombo indray izany ny fahasahiranana eo amin’ny fanomanana fidiran’ny mpianatra. Ho ana sekoly tsy miankina iray eny Vinany Itaosy moa, raha ny fanazavana voaray, dia misy tolotra hoe azo aloha in-droa ny saram-pianarana sy saram-pisoratan’anaran’ny mpianatra. Ho an’ity sekoly voalaza ity tsinona raha atotaly izay saram-pianarana tsy voaloan’ny mpianatra izay dia mahatratra hatrany amin’ny 61 volana, izany hoe 61 ampitomboina 20.000 ariary na 1.220.000 ariary. Ny mpampianatra nefa tsy maintsy omena karama, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap
22-avril-2024

Ela ny ela fa nampitandrina ny orinasa JIRAMA ihany ireo mponina eny Fenoarivo sy Alakamisy

Card image cap
19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap