airtel

Sosialy

08-avril-2022

Sosialy

Fampidinana ny vidin’entana Tena tsy afa-manao don-tandroka ve ny Fanjakana ?

Sample post image

Tena henjana ny fifehezana ny vidim-piainana, ary io lasa adihevitra io ny mikasika ny fameran’ny Fanjakana ny vidin’entana farany ambony azo ampiharina.

08-avril-2022

 Tena mahavaha olana ve anefa ? Manginy fotsiny ny hoe: ato anatin’ny faritra Analamanga ihany. Menaka novidiana 8300 Ar ny litatra noferana ho 9500 Ar ny farany ambony, entona fandrehitra 72 000Ar lasa 82500 Ar,… Tena izay ve ilay nandrasana? Mahomby ve ny vahaolana? Misy ny orinasa SPM (State Procurment of Madagascar) izay natsangana ny novambra 2019, nambara fa hanafatra mivantana ny entana ilaina andavanandro ialana amin’ny fanararaotana. Tsy mahomby ve izany ka naleo nifampiraharaha tamin’ny mpandraharaha tsy miankina? Tsy misy vola ve ny Fanjakana ka ny vary no tena hafarana fa ny zavatra hafa tsy dia hita soritra? Raha vao 5 volana monja no nitondran’ny filoha Andry Rajoelina ny firenena dia nampidina 100 Ar teo ny vidin’ny solika izy ary voatazona izany mandraka ankehitriny. Mety mbola afaka miverina mandon-databatra indray mandeha ve ny filoha hampidina ny vidin’ny PPN fa tena efa niakatra avo be ka tsy takatry ny sarababem-bahoaka intsony? hoy ny fanamarihana. Misy ihany ny manana tohatra hanakarana azy fa rehefa mba mangataka aminy ianao dia miteny izy hoe “Manakara”. Miangavy ny filoha hajaina mba hametraka CCO (Centre de Commandement Opérationnel) mikasika an’io vidim-piainana midangana io toy ny natao tamin’ny COVID-19 sy ny Kere any atsimo satria efa lasa loza tsy voajanahary mahazo ny tanindrazana ilay izy, hoy hatrany ny antso avo. Ny fepetra noraisina rahateo mihatra eto Analamanga ihany hatreto, kanefa i Madagasikara manontolo no sahirana. Vahaolana maharitra no andrasan’ny maro, saingy tsy dia rototra ny Fanjakana na misy ihany ny ezaka fa tsy ampy. Tsy maika noho ny kianja manara-penitra, teleferika,… rahateo ny resaka fampidinana vidim-piainana, ka toa miainga amin’ny vahaolana “tip top” sy fampandriana adrisa lava.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap