airtel

Sosialy

07-avril-2022

Sosialy

Fampidinana ny vidin’entana Tena tsy afaka manao don-tandroka ve Fanjakana?

Sample post image

Tena henjana ny fifehezana ny vidim-piainana, ary io lasa adihevitra io mikasika ny fameran’ny Fanjakana ny vidin’entana farany ambony azo ampiharina.

07-avril-2022

 Tena mahavaha olana ve anefa ? Menaka novidiana 8300Ar ny litatra noferana hà 9500Ar ny farany ambony, entona fandrehitra 72000Ar lasa 82500Ar,… Tena izay ve ilay nandrasana? Mahomby ve ny vahaolana? Misy ny orinasa SPM (State Procurment of Madagascar) izay natsangana ny novambra 2019, nambara fa hanafatra mivantana ny entana ilaina andavanandro ialana amin’ny fanararaotana. Tsy mahomby ve izany kan aleo nifampiraharaha tamin’ny mpandraharaha? Tsy misy vola ve ny Fanjakana ka ny vary no tena hafarana fa ny zavatra hafa tsy dia hita soritra. Raha vao 5 volana monja no nitondran’ny filoha Andry Rajoelina ny firenena dia nampidina 100Ar teo ny vidin’ny solika izy ary voatazona izany mandraka ankehitriny. Mety mbola afaka miverina mandon-databatra indray mandeha ve ny filoha hampidina ny vidin’ny PPN fa tena efa niakatra avo be ka tsy takatry ny sarababem-bahoaka intsony? Hoy ny fanamarihana. Misy ihany ny manana tohatra hanakarana azy fa rehefa mba mangataka aminy ianao dia miteny izy hoe “Manakara”. Miangavy ny filoha hajaina mba hametraka CCO (Centre de Commandement Opérationnel) mikasika an’io vidim-piainana midangana io toy ny natao tamin’ny COVID-19 sy ny Kere any atsimo satria efa lasa loza tsy voajanahary mahazo ny tanindrazana ilay izy, hoy hatrany ny antso avo. Ny fepetra noraisina rahateo mihatra eto Analamanga ihany hatreto, kanefa i Madagasikara manontolo no sahirana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap