airtel

Sosialy

17-nov-2022

Sosialy

Fampidirana mpiasam-panjakana 9498 ny toerana vaovao hoforonina

Sample post image

Mahatratra 9498 ny toerana na « postes budgétaires » vaovao hoforonina ao anatin’ireo sehatra isan’ny ambony ny tetibolany ao anatin’ny tetibolam-panjakana dia ny fanabeazana, ny fahasalamana,

17-nov-2022

ary ampian’ny filaminanana anatiny sy fitsarana. Mifototra amin’ny fampidirana mpiasam-panjakana io mazava ho azy, ka 3488 handeha amin’ny alalan’ny fifaninanana na « par voie de concours administratifs » ary ny 6 010 kosa miainga amin’ny tolotr’asa mivantana. 3 943 ny toerana eo anivon’ny Minisiteran’ny fanabeazana, 500 ho an’ny minisiteran’ny fahasalamana, 712 ho an'ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa, 1 270 ho an’ny Minisiteran’ny fitsarana, 1 420 ho an’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka, 830 ho an’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena, ary 823 kosa ho an’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Ankoatra ny toerana vaovao hoforonina, miisa 2 955 ireo « agent » ireo nivoaka tamin’ny fiofanana ara-panjakana sy niainga tamin’ny fifaninana ho an’ny 2021 no hiditra amin’ireo toerana efa voafaritra ho azy avy : 30 officiers de police, 20 commissaires de police ho an’ny 2021, mpianatra zandary 1 500, mpamory hetra 35, mpianatra ho inspekteran’ny polisy 220 sy mpianatra ho « agent de police » 1150 ireo. Miisa 5 311 kosa ireo handeha hisotro ronono rehetra any amin’ny Minisitera samihafa ho an’ny taona 2023.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap