airtel

Sosialy

09-févr-2024

Fampiroboroboana ny angovo azo havaozina

Raikitra ny tetikasa FIER mitentina 9 tapitrisa dolara

Sample post image

Notanterahina omaly 08 febroary 2024 teny amin’ny Carlton Anosy

09-févr-2024

ny fanombohana ofisialy ny AMI (Appel à Manifestation d’Intérêt) amin’ny « Derisking Facility » ho an’ny Tetikasa FIER (Financement Intégré pour les Energies Renouvelables) eto Madagasikara. Fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny PNUD io, tafiditra anatin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy na ny ODD. 8.983.345 dolata na 9 tapitrisa dolara eo no entina manohana ny tetikasa, ka avy amin’ny tahirim-bola eo anivon’ny Firenena Mikambana 7,7 tapitrisa dolara. Haharitra 4 taona ny tetikasa izay efa nanomboka ny aprily 2022 hatramin’ny marysa 2026. Mizara 2 goavana ny zava-dehibe ao anatin’ny tetikasa ka misy ny eo ambany fandrindran’ny ONUDI na ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny angovo, hifantoka amin’ny torolalana sy tan-tsoroka mikasika ny fampiroboroboana ireo orinasa madinika sy tetikasa mamiratra misehatra amin’ny angovo azo havaozina. Hahazo tantsoroka ara-teknika sy ara-bola hoentina manatanteraka ny tetikasa ireo mitondrana izany. Manodidina ny 50 ireo orinasa hahazo tombotsoa mivantana amin’ny tetikasa FIER, izay voalaza fa hitondra tohana ara-bola ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany eny ifotony ihany koa. Fanamby ny hanamafy ny tanjon’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina, mikajy ny tontolo iainana. Eo ihany koa etsy andaniny ny fanatrarana ny tanjona handrakofana 75% ny mponina misitraka herinaratra hatramin’ny 2030 satria voalaza fa 35% izany hatreto ka ny 15% no any amin’ny tontolo ambanivohitra.

Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap