airtel

Sosialy

27-sept-2023

Fampitomboana ny vokatra

Mila fanampiana matotra ireo tantsaha

Sample post image

Mahatonga ny tantsaha malagasy miraviravy tanana ny fahasarotan'ny fiainana,

27-sept-2023

ny fahalafosan'ny masomboly sy ny zezika ary ny olana amin'ny resaka fampidiran-drano. Tsy mmsy mijery, tsy misy mikarakara intsony izahay, hoy izy ireo, hany ka lasa tsy mazoto intsony ny mpamboly. Tsy araka ny tokony ho izy ny fidiran'ny rano eny an-tanimbary, lafo be ny zezika,... Misy fotoana ny ketsa voavoly fa ny tanimbary tsy tafiditry ny rano. Rehefa tafiditra ny rano avy eo mety efa tsy ara-potoana fa tara dia lasa manimba ilay voly. Mahakivy ny zavatra tahaka izany ka tena mila vahaolana matotra sy mahomby satria tantsaha mpamokatra ny 85%n'ny Malagasy, mbola sahirana ara-tsakafo anefa ny Malagasy, mbola manafatra vary. Manafatra vary efa ho 750 000 taonina i Madagasikara ny taona 2022, nitombo 18% raha oharina ny tamin’ny taona teo aloha io. Mbola manana tany azo volena mirefy 8 tapitrisa hektara anefa i Madagasikara, fa saingy noho ireo olana maro samihafa dia tsy voajary. Raha ireo no ambolena anefa araka ny tokony ho izy dia tsy ho lanin’ny Malagasy nyvokatra eto. Miha mitombo isa hatrany ireo tantsaha mahatsapa fa mety ilay Vinan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana tarihin’i Tahina Razafinjoelina ny amin’ny hanitarana ny toeram-pambolena sy hanampiana ny tantsaha amin’ny resaka teknikam-pambolena, msomboly, zezika mety amin’ny tany misy eto Madagasikara ary fikarohana lalam-barotra. Ny tantsaha no tokony manankarena noho ny mpanjifa, ary azo atao tsara ny mieritreritra hamatsy ny tsena any ivelany rehefa ampy ny vokatra ho an’ny fanjifana eto anatiny, raha ny vinan’ny FTT. tsy kobaka am-bava no tadiavinay fa olona tena mahavita azy,hoy ireo tantsaha ary tena mahaliana anay ny Vina entin’i Tahina Razafinjoelina.
RTT
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.

Card image cap